Governemanta vaovao : Mamitiana Rajaonarison, Praiminisitra faharoan'ny Repoblikan'ny Fanavaozana
Tsy ampy herinandro taorian'ny fandravana ny Governemanta Herintsalama Rajaonarivelo dia efa mijoro sahady ny Governemanta vaovao. Hotarihin'ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison izany.
Tontosa ny takarivan'ny alahady 15 marsa ny fanendrena ny Praiminisitra faharoan'ny Fitondrana Fanavaozana, teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha.
Teknisianina manana traikefa sady mahitsy
Tsy zoviana amin'ny maro ny endriky ny Praiminisitra vaovao : tale jeneralin'ny "Service de Renseignements Financiers" (SAMIFIN) mantsy ny tenany, izay voatendry sy nanao fianianana tamin'ny volana aprily taona 2021. Efa Talem-paritry ny "Bureau Indépendant Anti-Corruption" (BIANCO) tany Toliara sy teto Antananarivo. Ny ady amin'ny famotsiam-bola sy ny kolikoly araka izany no tena nahafantarana azy. Tsy adinoina fa miaramila ny tenany teo aloha, niray tarika tamin'ny Colonel Michael RANDRIANIRINA, nivoaka tao amin'ny Académie Militaire Antsirabe tamin'ny 1998. Nandao ny Tafika Malagasy ny tenany ka niofana tany Frantsa, ary lasa "Administrateur Civil".
Ny solombavambahoaka maro an'isa moa no nanolotra an'i Mamitiana Rajaonarison, ka neken'ny filohan'ny Fanavaozana izany. Tsy vitan'izany ihany, natolotr'ireo mpitolona ihany koa ny tenany, satria anisan'ireo nandray anjara mavitrika tamin'ny hetsi-bahoaka teny an-kianja tamin'ny taona 2025. Mazava hoazy, nisy ny fijerena manokana ny lalana nodiaviny, ny fahaiza-manaony ary ny fomba fiasany, ka izany no antony nahazoany izao andraikitra izao. Anisan'ny nisafidianan'ny filoham-pirenena azy ihany koa ny fahitsiany : tsy voavidy vola na mivadibadi-teny i Mamitiana Rajaonarison.
Ady amin'ny kolikoly
Anisan'ny vaindohan-draharahan'ny Repoblikan'ny fanavaozana ny ady amin'ny kolikoly sy ny famotsiam-bola. Maromaro ireo mpandraharaha manana raharaham-pitsarana mavesatra noho izany. Koa satria manam-pahaizana manokana amin'ny fanabeazana sy ny fisorohana ny kolikoly no lohan'ny Governemanta, andrasana ireo fanovana amin'ny sehatra maro.
Ny Didim-panjakana 2026-776 tamin'ny 15 martsa 2026 moa no nentin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, nanendry ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta. Andrasana ato ho ato ny fanendrena ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta vaovao, dia ireo minisitra.




