• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Governemanta Rajaonarivelo : Natsahatra tamin’ny asany, miandry fanendrena Praiminisitra vaovao

09/03/2026 18:51 © Moov.Mg

Namoaka fanambarana ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara io harivan’ny androany 9 martsa 2026 io, fa natsahatra tamin'ny asany ny govenemanta tarihin’ny praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Tsy ho ela, araka ny voalazan’ity fanambarana ity hatrany, dia hisy ny fanendrena Praiminisitra vaovao.

Fampiharana ny Lalàmpanorenana

« Ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika dia manambara fa, araka ny fampiharana ny Lalàmpanorenana, dia natsahatra tamin'ny asany ny Governemanta, ary hiroso tsy ho ela amin'ny fanendrena ny Praiminisitra vaovao, araka ny paika voatondron'ny Lalàmpanorenana ihany, ny tenany », hoy ny voalaza ao anatin’ity fanambarana navoakan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ity. « Mandrapisian'ny fanendrena Praiminisitra sy mpikambana vaovao ao amin'ny Governemanta dia ny Sekretera Jeneralin'ny Minisitera tsirairay no misahana ny fampandehanan-draharaha andavanandro », hoy hatrany ny fanambarana.

Ny andininy faha-54 amin’ny Lalàmpanorenana malagasy moa dia milaza fa « Ny Filohan’ny Repoblika no mampitsahatra ny Praiminisitra amin’ny asany, aorian’ny fanolorany ny fametraham-pialàn’ny Governemanta, na vokatry ny fahadisoana goavana, na noho ny tsy fahombiazana azo tsapain-tànana. ».

Tsy afa-po amin’ny fanavaozana

Raha tsiahivina dia vao ny 7 martsa lasa teo ny Gen Z sy ny Gen Y no namoaka fanambarana, teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina, izay mitaky ny hialan’ny praiminisitra ao anatin’ny 72 ora. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy tsapan’izy ireo izay tena fanavaozana hita, nandritra izay 5 volana lasa izay, ary misy amin’ireo minisitra no tsy tena miasa akory. Etsy an-daniny, nilaza ny filohan’ny Fanavaozana, raha vao voatendry ireo minisitra voalohany nandrafitra ny governemantan’ny Fanavaozana, tamin’ny 28 ôktôbra 2025, fa handalo tombana izy ireo, roa volana taorian’ny nanombohan’ny fotoam-piasany. Tsy tontosa araka ny fe-potoana nomena izany, saingy, efa eo am-panatanterahana kosa, hoy ny nambaran’ny kly Randrianirina Michaël, raha nanontanian’ny mpanao gazety tamin’iny herinandro lasa iny.

Tahotra korontana ary ve, satria efa manambana ny hiverina hidina an-dalam-be indray ny sasany amin’ireo Gen Z sy Gen Y, raha tsy misy ny fiovana azo tsapain-tanana ? Sa kosa efa vita ny jery todika sy tomban’ny governemanta Rajaonarivelo, ka dingana tsy maintsy irosoana izao, mialohan’ny fananganana governemanta vaovao ?

Lire la suite

Articles Similaires