• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Welcome To The Jungle
Image
Asa & Fianarana

Ahoana no hitazonana ny fifantohana ao amin’ny toeram-piasana mikotaba ?

09/03/2026 16:30 © Moov.Mg

Maro amintsika no tsy mahavita mifantoka amin’ny asa rehefa ao anaty toerana na tontolo mikotaba. Ny tabataba sy ny fanelingelenana samihafa dia mety mampihena ny fahombiazan’ny asa sy ny fifantohana. Soa fa misy fomba maro afaka manampy mba hitazonana ny fifantohana na dia misy feo manakotaba aza.

Ny fiantraikan’ny tabataba amin’ny fifantohana

Misy fiantraikany mivantana amin’ny ati-doha ny tabataba. Misarika ny saintsika izy, mampitombo ny havizanana ara-tsaina ary mety hiteraka adin-tsaina. Ny feo tsy ampoizina, toy ny resaka ataon’ny olona na ny fampandrenesana (notifications) amin’ny finday, dia tena manelingelina satria manery ny atidohantsika handinika azy ireo hatrany. Zava-dehibe noho izany ny mianatra mitantana ireo karazana fanelingelenana ireo mba hifantohana amin’ny asa.

Mampiasa « écouteur » na « casque » manakana tabataba

Iray amin’ireo vahaolana mahomby indrindra ny fampiasana « écouteur » na « casque » manakana tabataba (anti-bruit). Marina fa mbola somary lafo vidy ireo karazana fitaovana ireo, nefa kosa dia isan’ny tena manampy amin’ny fampihenana ny feo manodidina izy ireny. Azo atao ohatra ny mihaino mozika tsy misy tononkira, feon’ny natiora, na “bruit blanc” mba hanakonana ny tabataba manodidina sy hanampy amin’ny fifantohana.

Mamorona « bulle de travail » ho an’ny tena

Na dia ao anaty tontolo be tabataba aza dia azo atao tsara ny mamorona karazana “bulle” manokana hiasana. Izany hoe mamorona tontolo kely manokana ho an’ny tena hahafana manatanteraka ny asa am-pilaminana. Mba hanatanterahana izany dia tsara ny mametra mazava ny fotoana iasana sy mampihena ny zavatra manelingelina. Ohatra: vonoina ny fampandrenesana amin’ny finday (notifications), lazaina ny olona manodidina hoe mila mifantoka ianao, alamina ny toerana iasana mba ho milamina sy sy dia misy tabataba. Ireo fanitsiana kely ireo dia afaka manampy betsaka amin’ny fampihenana ny fanelingelenana.

Manazatra ny saina tsy hiraharaha ny fanelingelenana

Ny fifantohana dia fahaiza-manao azo ampitomboina amin’ny fanazarana. Ny fanaovana « méditation » ohatra dia afaka manampy amin’ny fampianarana sy fanazarana ny ati-doha tsy hiraharaha tabataba. Rehefa mizatra tsikelikely manao io fanazarana dia ho mora kokoa ny mifantoka amin’ny asa iray.

Lire la suite

Articles Similaires