Ny "Sapiosexualité" : Rehefa ny saina no mpanaitra voalohany ny faniriana
Malaza any ivelany any tato ho ato ny « sapiosexualité ». Ity farany moa dia teny manondro fisarihana ara-pitiavana na ara-nofo noho ny faharanitan-tsain’ny olona iray. Izany hoe raha avy amin’ny bika na ny fijery no mahatonga fientanam-po eo amin’ny olona sasany dia ny resaka lalina, fisainana mavitrika sy ny faharanitan-tsaina no manintona ny olona « sapiosexuel ». Araho eto ny andinindininy mikasika azy io.
Inona no atao hoe « sapiosexualité » ?
Ny teny hoe “sapio” dia midika hoe hendry na manan-tsaina. Noho izany, ny « sapiosexualité » dia fisarihana lalina amin’ny faharanitan-tsaina : fahakingan-tsaina, fahalalana lalina, fahaizana mandinika sy mandalina, na koa famoronana ara-tsaina.
Amin’ny fiainana andavanandro, mety hiseho amin’ireto fomba manaraka ireto izany :
-Fisarihana amin’ny resaka lalina sy mahaliana,
-Fankafizana olona be fahalalana na manam-pitiavana amin’ny sehatra iray,
-Fientanam-po ateraky ny kabary mazava, hatsikana manan-tsaina, na fandinihana maranitra,
Eto, ny saina no lasa singa lehibe miteraka faniriana, indraindray mihoatra noho ny bika aman’endrika.
Fironana ara-pananahana ve izy io ?
Hatreto dia mbola iadian-kevitra ny mikasika azy io. Tsy toy ny fironana ara-pananahana ekena sy fantatra toy ny « hétérosexualité », « homosexualité » na « bisexualité » mantsy ny « sapiosexualité » ka noho izany dia tsy voasokajy amin’ny fomba ofisialy ao anatin’ny rafitra ara-tsiansa na ara-pitsaboana.
Ho an’ny manampahaizana maro, dia heverina ho safidy na fironana manokana amin’ny fitiavana sy faniriana izy io. Izan hoe mitovy amin’ny fisarihana amin’ny toetra sasany (toy ny fahatsoram-po, fahavitrihana, na hatsikana). Midika izany fa ny faharanitan-tsaina no lasa laharam-pahamehana amin’ny fisafidianana olona iray, fa tsy hoe fironana ara-pananahana vaovao.
Nahoana no mahasarika ny faharanitan-tsaina ?
Misy antony maro mety manazava izany :
Famporisihana ara-tsaina. Ny resaka lalina sy manaitra saina dia mampihetsika ny fahalinana sy ny fisainana. Izany dia mety hampitombo ny fifamatorana sy hanamafy ny fisarihana.
Fahatsapana fifandraisana lalina. Matetika rehefa mifanaraka ara-tsaina ny olona roa, dia misy fahatsapana fifankahazoana sy fifamatorana matanjaka eo amin’izy ireo, izay manampy amin’ny fananganana fitiavana maharitra.
Lanja eo amin’ny fiarahamonina. Amin’ny kolontsaina sasany, ny faharanitan-tsaina dia ampifandraisina amin’ny fahombiazana sy fahatokisana, ka mahatonga azy ho toetra mahasarika kokoa.
Mampiroborobo azy ny vanim-potoana nomerika
Ny tambajotra sosialy sy ny tranonkala fitadiavana vady dia manasongadina bebe kokoa ireo zavatra mahaliana ny olona iray : hevitra, kolontsaina, fialam-boly ary finoana. Tsy sary intsony fotsiny no jerena, fa eo ihany koa ny resaka sy fifanakalozan-kevitra.
Mora miseho kokoa ny « sapiosexualité » amin’ireo tontolo nomerika ireo satria avy amin’ny resaka sy fifanakalozana hevitra no hanombohan’ny fisarihana, alohan’ny fihaonana mivantana.




