• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Clcv
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sakafo voalanjalanja : fantaro ny mikasika ny proteinina avy amin’ny zavamaniry

12/02/2026 16:39 © Moov.Mg

Miresaka proteinina avy amin’ny sakafo isika matetika dia ny proteinina avy amin’ny biby hatrany no tonga ao an-tsaina sy heverina ho manan-danja. Marihana nefa fa manana toerana lehibe amin’ny fomba fisakafoanana voalanjalanja sy ara-pahasalamana ny proteinina avy amin’ny zavamaniry. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ireto farany.

Inona no antony tsara hisafidianana ny proteinina avy amin’ny zavamaniry ?

Tena ilaina amin’ny vatana ny proteinina noho izy ireo manampy amin’ny fanorenana ny hozatra, ny sela, ny « enzymes » ary ny hormonina. Ny proteinina azo avy amin’ny zavamaniry dia manana lafy tsarany maro :
-Manankarena fibra, manatsara ny fandevonan-kanina sy mampaharitra ela kokoa ny fahatsapana voky :
-Tsy dia be « graisses saturées » raha oharina amin’ny proteinina sasany avy amin’ny biby ;
-Mitondra vitamina, mineraly sy « antioxydants » maro ilain’ny vatana.
Ny fisafidianana proteinina avy amin’ny zavamaniry dia tsy midika hoe tsy hihinana hena na trondro intsony, fa kosa mikendry sakafo voalanjalanja kokoa.

Inona avy ireo karazana sakafo ahitana proteinina avy amin’ny zavamaniry ?

Ireto manaraka ireto ny santionany amin’ireo sakafo fototra mitondra proteinina avy amin’ny zavamaniry :
-Ny voamaina, toy ny voanemba, tsaramaso mena, « pois chiches »… Mahavoky ary azo ampiasaina hanaovana karazana nahandro samihafa izy ireo (laoka, salady, lasopy…) ;
-Ny voanjo sy ny « graines », toy ny voan’ny « tournesol », « amande », « noix », voam-boatavo… Tsara atao tsakitsaky na atao amin’ny sakafo ;
-Ny vokatra avy amin’ny « soja », toy ny vovoka « soja », « pousse de soja », « tofu »… Azo ampiasaina hikarakarana sakafo maro.

Mety amin’ny olona rehetra ve ny proteinina avy amin’ny zavamaniry ?

Mety amin’ny olona rehetra ny proteinina avy amin’ny zavamaniry raha toa ka voalanjalanka sy misy karazany ny sakafo. Miainkina amin’ny taona, ny hamafin’ny asa atao ary ny toe-pahasalamana kosa nefa ny filàna. Ny mpanao fanatanjahantena, ohatra, dia afaka mahazo proteinina ampy amin’ny loharano avy amin’ny zavamaniry, raha ampy tsara ny fatra hoanina.
Ny olona manana toe-pahasalamana manokana, toy ny fitondrana vohoka, zaza mitombo, aretina mitaiza sasany…, dia tsara ny manantona mpitsabo na manam-pahaizana momba ny sakafo (nutritionniste).

Lire la suite

Articles Similaires