• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Délices De Yasmine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « quiche au poulet »

06/02/2026 16:40 © Moov.Mg

Nahandro matsiro ankafizin’ny rehetra, na ankizy na lehibe ny « quiche ». Maro ny fomba azo hikarakarana azy io miankina amin’ny fangaro fototra ampiasaina amin’ny fanaovana azy. Efa nentina teto ohatra ny fanamboarana ny « quiche lorraine » izay isan’ny malaza sy be mpanao indrindra. Ny fomba tsotra fanaovana « quiche au poulet » indray no andeha ho zaraina amintsika eto. Araho àry !

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra « quiche au poulet » vita ao an-trano

-Nofon’akoho masaka sy voatetika 200g ;
-« Pâte brisée » na « pâte feuilletée » efa vonona ampiasaina 1 fonosana ;
-Fromazy voakiky 100g ;
-Tongolo 2 voatetika ;
-Tongolo gasy hasiny 4 voakiky ;
-Atody 3 ;
-« Crème liquide » 20sl ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Persily na sakamalaho (tsy voatery asiana) ;
-Dibera kely ho atao amin’ny lasitra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Endasina amin’ny menaka kely ny tongolo. Rehefa manomboka miha tsy misy loko dia arotsaka ny nofon’akoho efa voasasa sy notsihifina. Asiana sira sy dipoavatra kely. Aroharoana matetika ary avela masaka tsara sy ho manitra. Avela hangatsiaka.
Miditra amin’ny fanaovana ny fangaro. Kapohana miaraka anaty lovia jobo lehibe ny atody, ny « crème liquide », fromazy ary sira sy dipoavatra. Tsara raha mampiasa « fouet » hikapohana azy mba hifangaro tsara.
Karakaraina ny « quiche ». Osorana dibera ny lasitra (moule). Velarina ao anatiny ny « pâte brisée » na « pâte feuilletée ». Araraka sy atao miparitaka eo amboniny ny akoho sy tongolo nendasina teo. Rehefa vita izay dia rarahana ilay fangaro eo amboniny, atao mandrakotra tsara azy. Azo asiana fromazy voakiky eo amin’ny tampony ambony mba hanampiana tsiro sy hanitra ny nahandro.
Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 30 hatramin’ny 40 minitra eo ho eo mandrapahamasaka ny « quiche au poulet ». Tokony hahazo loko volontany izy io rehefa vita. Aroso mafana.

Lire la suite

Articles Similaires