• Cours de change
  • 5233.93 AR
  • |
  • $4534 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Fiangonana : Arofanina ho an’ireo mpindrana fahefana, hoy ny kôlônely Michaël Randrianirina

19/01/2026 08:33 © Moov.Mg

Ny fanafangaroana ny Fiangonana sy ny Fanjakana no isan’ny nahazoan’ny kôlônely Michaël Randrianirina fanakianana indrindra, hatramin’izay nandraisany ny toeran’ny filoham-panjakana malagasy izay. Mifameno anefa ny andraikitry ny Fiangonana sy ny Fanjakana, raha ny nambarany, omaly, nandritra ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fanokafana ny herinandro fiaraha-mivavaky ny taona 2026 sady ivon'ny faha-45 taonan'ny FFKM.

Fiangonana sy Fanjakana, mifameno fa tsy mifanipaka

Tontosa omaly 18 janoary 2026 ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fanokafana ny herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny taona 2026 sady ivon'ny fankalazana ny faha-45 taonan'ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM). Notontosaina nandritra izany ihany koa ny famindram-pitantanana teo amin'ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, avy amin'ny Eglizy Katolika Apôstôlika Rômanina, sy ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, avy amin'ny Eklezia Episkopaly Malagasy, izay hitantana ny FFKM indray manomboka izao. Teny amin'ny katedraly Andohalo no nanatanterahana izany, natrehin’ny Filohan'ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël, sy ireo Mpanolontsaina Avon'ny Fanavaozana, ny jeneraly Rabearimanana Lucien sy ny jeneraly Zafitasondry Ranoelison Marcellin.

Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nitondran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara fanazavana momba ny andraikitra sahanin’ny Fiangonna sy ny Fanjakana, izay « tsy mifanipaka velively amin’ny fotokevitra ijoroany avy », araka ny nambarany. Misy ireo adidy iraisan’ny Fiangonana sy ny Fanjakana, hoy ny kôlônely Randrianirina Michaël : « samy mpampihavana, samy miady amin’ny fampisaraham-bazana ary samy resy lahatra fa sakana tsy mampandroso ny fampizarazarana ». Notsiahiviny, fa nifamatotra hatrany ny Fiangonana kristianina sy ny Fanjakana, raha zohina ny tantaran’i Madagasikara. « Porofon’izany ny fandraisan’ny FFKM anjara tamin’ny fitadiavam-bahaolana nandritra ireo vanim-potoana sarotra rehetra nolalovan’ny firenena », hoy izy. Raisina ho Raiamandreny am-panahy, eken’ny besinimaro, afaka mampifandray ny ankolafin-kery rehetra ary azo itokisana fa tsy hiandany na amin’iza na amin’iza ny FFKM, raha ny heviny.

Baiboly, tsy mivoy afa-tsy ny fitiavana

Hatrany am-piandohana moa dia tsy nanafina ny maha-mpino kristianina azy ny kôlônely Randrianirina Michaël, izay mpino ary « Mpiandry » ao amin’ny fiangonana Loterianina (FLM). Tsapa ho manohina azy, araka izany, ny filazana etsy sy eroa, fa ny fivavahana kristianina no mampahantra an’i Madagasikara. « Manasa ireny olona miresaka ireny aho mba hamaky ny baiboly, hianatra ny zavatra lazainy, izay tsy mivoy afa-tsy ny fitiavana. Raha nifankatia isika teto Madagasikara, tsy nisy ny adilahy politika, tsy nisy ny kolikoly, tsy nisy ny fanaratsiana sy ny fanenjehena etsy sy eroa », hoy ny nambarany. Namafisin’ny filohan’ny Fanavaozana fa tena ilaina ny fananana ireo Raiamandreny ara-panahy, izay nosokajiany ho « Fanilo manazava ny lalan’ireo misalotra ny fahefam-panjakana » sy « Mpamelo-maso ireo toe-panahy tokony ananan’ireo mpindrana fahefana ». Ireo mpitondra fiangonana no mampahatsiahy amin’ireo mpindrana fahefana ny adidy sy andraikitra miandry azy ireo eto amin’ny firenena ary mitondra am-bavaka azy ireo mba ho olom-banona mandrakariva.

Tsara ny mampahatsiahy fa ny FFKM no nanankinan’izao rafitra Fanavaozana izao ny fitaihana ny Komity mpandrindra ny Fikaonan-doham-pirenena, izay handinihana sy hametrahana ireo fehin-kevitra hoenti-manavao ny Repoblikan'i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires