• Cours de change
  • 5238.25 AR
  • |
  • $4538.87 AR
Copyright Image : © Premier Lait
Image
Reny&Zaza

Tera-bao bevohoka indray : ireo hevi-diso mety hahatonga vohoka tsy nirina

16/01/2026 11:05 © Moov.Mg

Aorian’ny fiterahana dia maro ny vehivavy mihevitra fa voaaro amin’ny vohoka tsy niriana. Tsikaritra nefa fa mbola maro ny vohoka mifanesy sy tsy nirina hita eny amin’ny fiarahamonina eny. Ny fisian’ireo hevi-diso, ny tsy fahampian’ny fampahalalana ary ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana no anton’izany. ‘Ndeha ary ho fantarina eto ireo finoana diso mety hamitaka ny tera-bao sy hahatonga vohoka tsy nirina.

Tsy afaka ny ho bevohoka ny tera-bao raha mbola tsy niverina ny fadim-bolana

Io fihevitra io no isan’ny be mpino indrindra ka mahatonga ny tera-bao ho bevohoka indray. Marihana fa mety hitranga alohan’ny hiverenan’ny fadimbolana ny « ovulation » na famoahana atody. Midika izany fa mety ho bevohoka ny reny tera-bao raha manao firaisana ara-nofo tsy voaaro na mbola tsy niverina aza ny fadimbolany.

Miaro ny tera-bao amin’ny fitondrana vohoka ny fampinonoana

Marina fa mety hanana fiantraikany amin’ny fisorohana ny fitondrana vohoka ny fampinonoana, saingy misy fepetra hentitra mila hajaina mba hampandaitra izany : ny MAMA. Izany, mila mampinono tanteraka ny reny (tsy mampiasa solon-dronono), latsaky ny 6 volana ny zaza, ary mbola tsy niverina ny fadimbolana. Sarotra nefa ny manaja tanteraka ireo fepetra ireo amin’ny fiainana andavanandro. Raha vao tsy feno intsony ny fampinonoana, izany hoe mihena ny hatetika, omena sakafo fanampiny ny zaza… dia mihena be ny fiarovana ny reny tsy ho bevohoka.

Mila fotoana ela ny vatana vao afaka bevohoka indray

Finonoana miorina amin’ny fiheverina ihany izy io. Raha ny lojika eritreretin’ny vehivavy maro tokoa mantsy dia mbola mikorontana sy maratra ny ao anatin’ny kibo sy taovam-pananahana ka mila fotoana ela ny vatana vao miverina amin’ny laoniny sy ho bevohoka indray. Raha ny marina nefa dia mety hiverina haingana be ny fahafahan’ny vatana ho bevohoka (fertilité), indraindray àry alohan’ny fifaranan’ny rà mivoaka aorian’ny fiterahana.

Mampidi-doza ny fanaovana fandrindram-piterahana aorian’ny fiterahana

Ny tahotra momba ny voka-dratsy, indrindra amin’ny fampinonoana na ny fahasalamana, no isan’ny antony mahatonga ny vehivavy tera-bao sasany hanemotra na handà hanao fandrindram-piterahana. Marihana nefa fa misy karazana fandrindram-piterahana maro azo antoka sy mifanaraka amin’ny vanim-potoana aorian’ny fiterahana sy ny fampinonoana azo atao, toy ny fimailo, DIU, fanafody misy « progestatif »…

Lire la suite

Articles Similaires