• Cours de change
  • 5294.82 AR
  • |
  • $4563.56 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Fitondrana vohoka : ireo fambara ara-dalàna sy ireo fambara mampanahy

07/01/2026 14:24 © Moov.Mg

Maro ireo karazana fiovana ara-batana sy ara-pihetseham-po mitranga mandritra ny fitondrana vohoka. Noho ny fiovan’ny hormonina, ny fiovan’ny vatana ary ireo fahatsapana vaovao dia mety ho sarotra ho an’ny bevohoka ny manavaka ireo fambara ara-dalàn’ny fitondrana vohoka sy ireo mila fitsaboana. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo fambara ara-dalàna sy ireo fambara mampanahy eo amin’ny bevohoka.

Ireo fambara ara-dalàna mandritra ny fitondrana vohoka

Maro amin’ireo soritr’aretina, matetika tsy mampahazo aina na manorisory, no tafiditra anatin’ny fizotra ara-boajanaharin’ny fitondrana vohoka. Miovaova arakaraka ny vehivavy sy ny dingan’ny vohoka izy ireo. Anisan’ireo fambara ara-dalàna sy fahita ny hoe :
-Vizaka be. Mandritra ny telovolana voalohany sy faran’ny vohoka matetika no mahatsapa azy io ny bevohoka. Miasa mafy kokoa ny vatany mba hanohanana ny fitomboan’ny zaza ;
-Mandoa sy maloiloy. Matetika dia amin’ny fiandohan’ny vohoka, indrindra ny maraina, no miseho ireo fambara ireo. Avy amin’ny fiovan’ny hormonina no mahatonga izany. Amin’ny ankapobeny dia mihena izy ireo rehefa mihoatra ny telovolana voalohany ;
-Manaintaina ny nono. Mihalehibe sy mora marary ny nono, na voakasika kely fotsiny aza. Miomana amin’ny fampinonoana ny vatana noho mahatonga izany ;
-Mahatsapa misy misintonga na mifandrirotra eo amin’ny kibo ambany. Vokatry ny fitomboan’ny tranon-jaza no mety mahatonga fanaintainana malefaka sy fahatsapana mifandrirotra amin’ny faritry ny kibo ambany io ;
-Fahasahiranana miaina kely. Rehefa mandroso ny vohoka dia maka toerana bebe kokoa ny tranon-jaza ka mety hanindry ny taovam-pisefoan’ny bevohoka. Izany dia mahatonga ity farany sahirana miaina kely indraindray ;
-Fambara madinika toy ny hoe : mitohana, manaintaina ny lamosina, misy « crampes » indrindra amin’alina, mivonto ny tongotra… Matetika dia tsy misy atahorana be ary mandalo ireo fambara madinika ireo.
Fanamariha : Na dia heverina ho ara-dalàna aza ireo famantarana ireo, dia tsara foana ny miresaka momba azy amin’ny mpitsabo na mpampivelona mandritra ny fisafoana.

Ireo fambara mampanahy eo amin’ny bevohoka tsy tokony atao tsirambina

Misy soritr’aretina sasany izay tsy ara-dalàna mety mitranga mandritra ny fitondrana vohoka ka mitaky fitsaboana haingana. Anisan’izany ny hoe :
-Mandeha rà ny bevohoka. Na kela na betsaka ny rà, indrindra raha miaraka amin’ny fanaintainana, dia tsy maintsy manantona mpitsabo na rasazy avy hatrany ;
-Manaintaina mafy na maharitra ny kibo. Ny fanaintainana mahery na tampoka ao amin’ny kibon’ny bevohoka dia mety manambara olana ara-pahasalamana ka tsy azo atao tsirambina ;
-Manavy mihoatra ny 38°C ny hafanana. Mety ho fambaran’aretina izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny reny sy ny zaza izany ;
-Marary andoha mafy sy tsy mitsahatra, indrindra raha miaraka amin’ny fahitana manjavozavo, misy maneno ao amin’ny sofina, na mivonto tampoka ny tarehy sy ny tanana. Mety ho fambarana « prééclampsie » izany ;
-Fihenan’ny fihetsiky ny zaza na tsy fahatsapana azy. Raha efa tsapa tsara ny fihetsikehan’ny zaza ao an-kibo nefa lasa zara raha mihetsika na tsy tsapa mihetsika intsony.

Lire la suite

Articles Similaires