• Cours de change
  • 5302.84 AR
  • |
  • $4570.87 AR
Copyright Image : © Journal Télé-Visé
Image
Vaovao

Fakan-kevitra : Mangataka ny hanomezana lanja ny hevitry ny Silamo ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy

05/01/2026 11:40 © Moov

Handray anjara mavitrika amin’ny Fakan-kevitra nasionaly ho amin’ny fanavaozana ny Firenena ny mpino Silamo, amin’ny alalan’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy (FSM). Nisy moa ny fanaovana ny tombana ny zava-bitan’ny Fikambanana ny taona 2025 sy ny asa miandry amin’ity taona 2026 ity, tamin’ny fiandohan’ny taona teo.

Hevitra ho amin’ny tombontsoan’ny rehetra

Isan’ny asa miandry ity Fikambanana ity, sy ireo mpino Silamo, izay efa miha-betsaka eto Madagasikara, amin’ity taona 2026 ity ny fandraisana anjara amin’ny Fakan-kevitra nasionaly. Izy ity moa izay efa natomboka teny anivon’ny faritra sy ny faritany ary ho entina harafitra izany mba hanavaozana ny fomba fitondrana ny firenena, hahafahana mampandroso azy. Ao anatin’izany dia handray anjara ny mpino Silamo ka hitondra ny heviny, izay voalazan’izy ireo fa hanasoavana ny sarambabembahoaka fa tsy ho an’ny Silamo irery ihany. « Mangataka izahay ny mba hanamorana ny fifandraisana amin’ny Fitondram-panjakana mba ho tombontsoa, na ho an’ny Silamo na ho an’ny sarambabembahoaka », hoy ny Filohan’ny Fikambanana, Abousouary Saïd Arsène

2026 : faha-50 taonan’ny FSM

Ankoatra ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny raharaham-pirenena dia taonan’ny fankalazana ihany koa ity taona 2026 ity, ho an’ity fikambanana ity. Ny taona 1974 no niorina ny fikambanana ary 50 taona tamin’ny taona 2024. Hanakalazaina miaraka amin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina kosa izany, amin’ity taona 2026 ity. Etsy ankilany moa dia hotohizana hatrany ireo asa sosialy izay tanterahin’ny fikambanana, indrindra manoloana ireo olona tena marefo.
Amin’ity taona 2026 ity ihany koa dia hanamafy ny fiaraha-miasany sy ny fifandraisana amin’ny firenena samihafa ny FSM. Izany no hatao dia mba hitadiavana tombontsoa ho an’ny Malagasy rehetra. Isan’ny efa miara-miasa amin’izy ireo ny firenena Saodianina amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires