Fiainam-pirenena : Hafainganina ny asa amin’ity taona ity, hoy ny Filoham-panjakana
« Fanombohana ny roa volana voalohany niasan’ireo mpikambana ao amin’ny Goverenemanta fa miditra amin’ny tena asa amin’izay manomboka eto ». Izany no hafatra nampitan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Mickael Randrianirina, tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, tonga niarahaba azy, sy ireo mpanolotsaina avo, teny Iavoloha, noho ny tonon-taona.
Miandry vokatra ny vahoaka Malagasy
Roa volana katroka izay no nandraisan’ireo Minisitra ny asany, tato anatin’ity Fitondrana ity. Tao anatin’izay fotoana izay dia efa nisy ny vokatr azo na dia kely aza, hoy ireo Minisitera sasantsany sy ny Filoham-panjakana. Manoloana izany anefa dia nanambara ny Kolonely Michael Randrianirina fa mitaky vokatra lehibe ny vahoaka malagasy. « Mila hafainganina ny fandehan’ny asa amin’ity taona vaovao ity, fa miandry vokatra amintsika ny vahoaka Malagasy », hoy ny tenany, nanafatra ireto Minisitra ireto. Tsy amin’ny lafiny ara-tsosialy ihany izany, raha ny nomarihiny fa eo ihany koa ny lafiny toekarena sy ny fampandrosoana eny ifotony.
Tao anatin’izany ihany koa no nanamarihany fa tsy maintsy vitaina amin’ity taona ity ny Fikaonandoham-pirenena, izay tafiditra ao anatin’ny asa tsy maintsy atao haingana. Izany dia mba hahafahana miroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny fifidianana samihafa tsy maintsy hatao.
Mila mifanampy sy mifampatoky
« Asa lehibe sy goavana izany miandry antsika izany satria tery ny fotoana, isika anefa tsy maintsy mandroso malaky" hoy hatrany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika. Manoloana izany rehetra izany dia maintso fifanampiana sy fifampitokisana amin’ireo mpiara-miasa aminy rehetra ny tenany. Izany hafatra sy toromarika izany moa dia nampita nandritra ny fananganan-tsaina izay notanterahina teny amin'ny lapam-panjakana lavoloha, omaly.
Manoloana ny mpiasan'ny Fiadidiana ny Fanavaozana teto, dia notsiahiviny fa maro ny vola afafy amin'izao fotoana izao, vola kendrena hanaovana fanakorontanana eto amin'ny Firenena. Ny fifampitokisana, araka izany, no antoka lehibe hahafahana miasa am-pilaminana mba hanatratrarana ireo tanjona lehibe napetraka hitondrana ny Firenena mandritra izao fotoanan'ny Fanavaozana izao.


