• Cours de change
  • 5142.62 AR
  • |
  • $4472.87 AR
Copyright Image : © Europe 1
Image
Reny&Zaza

Zaza mifanintona : ireo tsara fantatra mikasik’izany

09/12/2025 15:04 © Moov.Mg

Tranga mampitaintaina ny ray aman-dreny ny mahita ny zazakely mifanintona. Maro ireo antony mety mahatonga azy io ary mety mampitahotra tokoa ny fisehon’ireo « crises ». Mba hahafahana manatanteraka ny fihetsika sy fepetra hiatrehana ny fanintona eo amin’ny zaza dia andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika azy io.

Inona no atao hoe fanintona ?

Ny fanintona dia fikorontanana mandalo eo amin’ny fiasan’ny atidoha. Eo amin’ny zaza sy ny ankizy kely dia miseho amin’ny soritr’aretina ara-batana sy/na ara-pihetsika samihafa izy io ka mahatonga « décharge électrique » tampoka sy mafy eo anivon’ny « neurones ».

Ahoana ny fisehon’ny fanintona eo amin’ny zaza ?

Tsy voatery mitovy amin’ny fisehon’ireo « crises » fahita amin’ny olon-dehibe ny fitrangan’ny fanintona eo amin’ny zaza. Anisan’ireo soritr’aretina mety miseho ny :
-Fihetsika miverimberina sy « rythimques », toy ny fihozongozonana tsy voafehy eo anivon’ny sandry sy tongotra, na fihenjakenjana’ny vatana ;
-Fihetsiketsehan’ny maso : fijery mandinika, mikipikipy malaky na miakatra ny maso ;
-Fiovan’ny fihetsika : lasa mienjana tampoka ilay zaza na lasa malemilemy, ary tsy mamaly intsony ;
-Fiovan’ny endrika : mihetsiketsika ny ilan’ny tarehy na ny ilan’ny molotra ;
-Hatsatra, mivaramena, tsy miaina anatin’ny fotoana fohy.

Ireo antony mety mahatonga ny fanintona eo amin’ny zaza

Ny antony matetika mahatonga ny fanintona eo amin’ny zaza dia ny « crise convulsive fébrile ». Izy io dia mitranga eo amin’ny zaza 6 volana hatramin’ny 5 taona ary matetika dia avy amin’ny fanaviana be. Amin’ny ankapobeny dia atahorana hisy fiantraikany eo amin’ny « développement neurologique » ny zaza izy io. Ny fiakaran’ny hafanan’ny vatana haingana loatra na ny haavo loatran’ny hafanan’ilay fanaviana no mitarika io fanintona io.
Misy ihany koa ireo antony hafa mety mahatonga ny fanintona eo amin’ny zaza :
-« Infections » ao amin’ny atidoha, toy ny « méningite » na « encéphalite » ;
-« Troubles métaboliques », toy ny tsy fahampiana siramamy anaty rà ;
-« Epilepsie infantile » ;
-« Traumatisme » ao amin’ny loha na « hémorragie cérébrale ».

Ahoana no atao raha mifanintona ny zaza ?

Manoloana ny zaza mifanintona dia mila mitony tsara aloha ary mitandro ny « sécurité » any.
-Atsotra eo amin’ny tany na eo amin’ny toerana mahintsy sy malalaka tsy misy manelingelina ny zaza (lavitry ny zavatra maranitra na mety handratra) ;
-Atao miorirana izy mba tsy ho kenda raha sendra mandoa na be ivy mivoaka ;
-Tsy asiana zavatra ao am-bavany ary tsy ezahana tazomina ny lelany. Tsy azo omena rano ihany koa ;
-Sokafana ny vozon’ny akanjony mba tsy haneritery ny tendany sy ny hatony ;
-Arahi-maso ny faharetan’ilay « crise ». Raha mihoatra ny 5 minitra dia entina malaky any amin’ny toeram-pitsaboana ;
-Entina mandeha mpitsabo hatrany ny zaza rehefa mijanona ilay fanintona (raha latsaky ny 5 minitra ny faharetany) ;
-Mandeha any amin’ny toeram-pitsaboana raha toa ka tsy tonga saina tsara izy rehefa vita ilay « crise ».

Lire la suite

Articles Similaires