Zaza tsy mahazaka « lactose » : ireo sakafo mitondra « calcium » tsara hoaniny
Mety mitranga tokoa ny hoe tsy mahazaka « lactose » ny zazakely. Ny « lactose » dia siramamy anatin’ny ronono ka ahitana azy io anatin’ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono. Ilain’ny zaza amin’ny fitomboany nefa ny « lactose » satria ity farany no mitondra ny « calcium » ao amin’ny vatana. Inona ary ny sakafo tsara omena ny zaza tsy mahazaka « lactose » ary inona mila fadiany ?
Inona no fambaran’ny tsy fahazakana « lactose » eo amin’ny zaza sy ny ankizy ?
Mitranga amin’ny fomba samihafa ny tsy fahazaka « lactose » eo amin’ny ankizy. Amin’ny ankapobeny dia miseho toy ny olan’ny fandevonan-kanina izany. Anisan’ireo soritr’aretina mety ho hita ny hoe :
-Misy rivotra ao amin’ny kibo ;
-Mivalana ;
-Mangotika ny kibo ;
-Manaintaina sy toy ny misy « crampes » ny kibo ;
-Maloiloy ;
-Masaka ny fitombenana eo amin’ny zaza vokatry ny fivalanana.
Matetika dia miseho aorian’ny fisotrona solon-dronono, eo ho eo amin’ny 30 na 40 minitra, ireo soritr’aretin’ny tsy fahazakana « lactose ». Miankina amin’ny habetsaky ny « lactose » nohanin’ilay zaza ny faharetan’ireo fambara ireo. Ny mpitsabo no manao ny fizahana sy mampanao ny fitiliana ahafahana mamaritra fa tsy mahazaka « lactose » tokoa ny zaza iray.
Inona ny sakafo mila fadian’ny zaza tsy mahazaka « lactose » ?
Raha voamarin’ny mpitsabo fa tsy mahazaka « lactose » tokoa ny zaza iray dia mila arahi-maso tsara ny sakafo omena azy. Tsy mahazo omena sakafo na zava-pisotro misy « lactose », toy ny zava-pisotro misy ronono na vokatra azo avy amin’ny ronono (yaourt, fromazy…) intsony izy. Misy ihany ireo vokatra azo avy amin’ny ronono sasany mety afaka ampidirina tsikelikely amin’ny sakafony rehefa any aoriana. Mazava ho azy fa torolalana avy any amin’ny mpitsabo ihany no ahafahana manatanteraka izany. Efa misy ihany koa moa ireo karazana solon-dronono manokana tsy misy « lactose » azo vidiana eny amin’ny farmasia eny.
Inona no azo anoloana ny vokatra azo avy amin’ny ronono mba hahazoana « calcium » ?
Araka ny voalaza teo ambony dia ilain’ny zaza amin’ny fitomboany ny « calcium », toy ireo azo avy amin’ny ronono sy vokatra avy amin’ny ronono. Azo atao tsara ny manolo ireny sakafo ireny amin’ny sakafo hafa mitahiry « calcium ». Anisan’izany ny legioma maitso toy ny épinards, brocolis, haricots verts, laisoa… Azo atao « purée » na lasopy ireo karazana legioma ireo ho an’ny zaza efa misakafo.



