• Cours de change
  • 5116.73 AR
  • |
  • $4475.66 AR
Copyright Image : © Jenny Chammas
Image
Asa & Fianarana

Miverina miasa aorian’ny « congé de maternité » : ireo torohevitra manampy

02/12/2025 16:23 © Moov.Mg

Dingana iray lehibe mampifangaro fihetseham-po maro eo amin’ny reny ny fiverenana miasa aorian’ny « congé de maternité ». Mifamahofao ao ny fahavitrihana, ny fanamelohan-tena, ny tebiteby… Mila fahaizana mandamina sy fandanjalanjana ny fiainana amin’ny maha mpiasa sy reny. Ireto ary misy torohevitra manampy mba hiverenana miasa am-pitoniana aorian’ny « congé de maternité ».

Miverina miasa aorian’ny « congé de maternité » : zava-dehibe ny fiomanana

Zava-dehibe ary miantoka ny fahombiazan’ny fiverenana miasa aorian’ny « congé de maternité » ny fiomanana ara-tsaina sy ara-pitaovana.
-Miverina miasa tsikelikely. Raha azo atao dia andro alarobia na alakamisy no hiverenana miasa. Fohy kokoa ny herinandro voalohany hiasana ka afaka mahita sahady ny « rythme » ho atrehana nefa tsy vizaka be loatra toy ny mamita herinandro iray manontolo.
-Jerena tsara ny mikasika ny fitaizana ny zaza. Tsy miandry ny androtry ny fidirana miasa vao mitady hoe atao aiza ny zaza na hoe iza no hitaiza azy mandritra ny tontolo andro. Mila omanina herinandro vitsy mialoha izany mba hizarana ny zazakely. Tsara raha manandrana mamela azy iray andro tontolo hizaran’ny roa tonta ny fisarahana rehefa miasa ny reny.
-Ampiharina mialoha ny fahazarana vaovao. Andro vitsy alohan’ny hidirana miasa dia efa miezaka mifoha maraina, ny hariva dia efa manomakomana ny entana, sakafo sy raharaha mila tanterahana rehefa tena miasa. Izany dia mba hampihena ny rarintsaina rehefa tonga ny fotoana.

Mandrindra ny fiainana ara-kasa sy ny fiainana manokana

Maro tokoa ny reny miverina miasa aorian’ny « congé de maternité » no mahatsiaro tena reraka sy trotraka noho ny tsy fahaizana mandrindra ny fiainana ara-kasa sy ny fiainana manokana. Mba hisorohana izany dia :
-Mametraka fetra amin’ny fotoana hiasana. Rehefa any am-piasana dia mifantoka amin’ny asa. Rehefa mody dia mifantoka amin’ny ankohonana. Tsy tokony mieritreritra na mikasika asa intsony, indrindra rehefa hatory na rehefa faran’ny herinandro.
-Ifampizarana ny raharaha ao an-trano. Tsy manery tena manenjika ny raharaha rehetra : fitaizana zaza, fandrahoana sakafo, fandaminana trano, fiantsenana, fanasana lamba… Raha manana fahafahana dia tsara raha maka mpanampy an-trano sy/na mpanasa lamba. Raha tsy misy ny fahafahana dia mifampiresaka amin’ny vady mba hifanampiana ny raharaha.

Lire la suite

Articles Similaires