Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny bonibony na « rubéole »
Otrikaretina mora mifindra fahita eo amin’ny ankizy ny bonibony na « rubéole ». Amin’ny ankapobeny dia tsy dia atahorana loatra na hoe « bénigne » izy io. Mety hitera-doza kosa nefa ity aretina ity raha mahavoa ny bevohoka noho izy mety mitarika fahasarotana eo amin’ny zaza ao am-bohoka. Araho ary ireo tsara fantatra mikasika ny aretina bonibony na « rubéole ».
Inona no atao hoe aretina bonibony na « rubéole » ?
Ny bonibony na « rubéole » dia otrikaretina azo avy amin’ny viriosy atao hoe « Togavirus ». Anisan’ireo aretina mpahazo ny ankizy na « maladies infantiles », toy ny nendramboalavo sy ny donika moa izy io.
Aretina mora mifindra ny bonibony. Mety entin’ny rivotra ny viriosy mahatonga azy ka afaka manaparitaka izany ny marary rehefa mikohoka na mievona. Mety mifindra amin’ny fifampikasohana mivantana amin’ny fitaovana, tanana… tratry ny tsiranoka avo amin’ny orona na tenda misy ilay tsimokaretina ihany koa ny bonibony.
Ny olona tratry ny « rubéole » dia mamindra ity aretina ity mandritra ny herinandro mialohan’ny hisehoan’ireo soritr’aretina amin’ny hoditra sy herinandro aorian’izany.
Ahoana ny fomba fisehon’ny aretina bonibony ?
Amin’ny ankapobeny dia maivana ny aretina bonibony ary tsy dia tsikaritra. Anisan’ireo soritr’aretina mety mitranga ny :
-« Eruption cutanée » na hoe misy bontsibontsina eo amin’ny hoditra. Izy io no fambara tena fahita. Misy tasy kely mavokely na menamena mipoitra eo amin’ny tarehy. Avy eo miparitaka malaky eo amin’ny vatana izany. Matetika dia maharitra 1 hatramin’ny 3 andro eo izany ;
-Mivonto ny « ganglions » na atoditarimo. Mahazana dia ny ao ambadiky ny sofina sy ny aorian’ny hatoka no mety tsapa mivonto sy mety manaintaina. Isan’ireo fambaran’ny bonibony miseho voalohany moa izany ;
-Manavinavy, izany hoe tsy mamay be ;
-Fambara hafa toy ny aretina andoha, misy lelo, menamena sy manaintaina ny maso.
Eo amin’ny olon-dehibe, indrindra ny vehivavy, dia mety mitarika fanaintainana mandalo eo amin’ny vanintaolana ny bonibony.
Bonibony : mety mitarika fahasarotana eo amin’ny zaza ao am-bohoka
Araka ny voalaza teo ambony dia mety mitera-doza ny aretina bonibony eo amin’ny bevohoka. Mandritra ny telo volana voalohan’ny vohoka no tena atahorana satria ilay viriosy dia mety ho tonga ao amin’ny zaza ao am-bohoka ka hitarika ny atao hoe « Syndrome de Rubéole Congénitale (SRC) ». Ny SRC dia mety hahatonga fahasamponana eo amin’ny zazakely :
-Tsy fahatomombanan’ny fo (problèmes cardiaques) ;
-Fahajambana ;
-Marenina ;
-Tsy fahatomombanana eo amin’ny fitomboana.
Fisorohana ny bonibony : mifototra amin’ny vaksiny
Ny fanaovana vaksiny no fanefitry ny bonibony tsotra sy azo antoka indrindra. Miaraka atao amin’ny vaksiny fanefitry ny kitrotro sy ny donika io vaksiny io. Tafiditra anatin’ireo vaksiny tsy maintsy ataon’ny zaza ao anatin’ny « calendrier vaccinal » moa izy io. Eo amin’ny vehivavy efa afaka mitoe-jaza dia ilaina ny manao io vaksiny io alohan’ny hitondrana vohoka raha toa ka mbola tsy vita vaksiny tamin’ny mbola kely. Tsy azo atao mandritra ny fitondrana vohoka ny vaksiny fanefitry ny bonibony.



