• Cours de change
  • 5070.27 AR
  • |
  • $4469.29 AR
Copyright Image : © Bienmanger
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana akoho miaro voanio na « poulet au coco »

24/11/2025 16:43 © Moov.Mg

Nahandro matsiro sady manitra tsara ny akoho miaro voanio na « poulet au coco ». Hoanina miaraka amin’ny vary na hoe atao laoka no tena tsara hinanana azy ity. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana akoho miaro voanio.

Ireo akora ilaina raha hanao akoho miaro voanio

-Nofon’akoho na fen’akoho 300g ;
-Lait de coco 200ml ;
-Sakamalaho voakiky 1 sotrokely ;
-Tongolo 1 ;
-Sauce soja 1 sotro fihinanana ;
-Menaka 1 sotro fihinanana ;
-Curry ½ sotrokely ;
-Siramamy 1 sotrokely ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Kotomila.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Tetehana manify ny tongolo.
Sasana, tetehana araka ny habeny itiavana azy ny akoho.
Afanaina ny menaka anaty lapoaly jobo na anaty vilany. Arotsaka ao ny nofon’akoho ary somary endandasina mandritra ny 5 minitra eo ambony afo antonony. Rehefa mahazo loko dia esorina tao anaty lapoaly.
Endasina anatin’io lapoaly nampiasaina teo io ny tongolo. Rehefa miaha tsy misy loko dia arotsaka ny sakamalaho, curry, siramamy sy sauce soja. Aroharoana tsara hifangaro.
Arotsaka ao ny lait de coco. Avela hiketrika kely eo ambony afo malefaka mandritra ny 10 minitra. Tsy avela hangotraka be ny lait de coco manjary mivadika.
Arotsaka ao anatin’ny lapoaly ny akoho nendasina teo. Avela hiketrika eo mandritra ny 5 hatramin’ny 7 minitra mandraparihitr’ilay sauce.
Asiana sira sy dipoavatra ary aroharoana tsara. Rehefa handroso ny nahandro dia rarahana kotomila voatetika manify eo amboniny.

Lire la suite

Articles Similaires