• Cours de change
  • 5079.81 AR
  • |
  • $4472.21 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Voatifitra nandritra ny tolom-bahoaka : Mila solon-tongotra i Aina Sarobidy, hahafahany miasa indray

25/11/2025 16:24 © Moov.Mg

Nitsidika ireo olona voatifitra ka naratra, nandritra ny tolom-bahoaka farany teo, ny avy eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika Fanavaozana an’i Madagasikara androany 25 novambra 2025. Isan’izany i Aina Sarobidy, izay voatery notapahana mihitsy ny tongony.

Voatifitra teny Befelatanana

Teny akaikin’ny hôpitaly Befelatanana teny i Sarobidy no voatifitry ny bala tena izy teo amin’ny tongony, raha ny fitantarany. Notsaboina tao amin’ny hôpitaly CHUJRA Anosy izy, noho ny ratra nahazo azy, ary nandalo fandidiana intelo. Noho ny fahavoazana lalina nahazo azy anefa dia voatery notapahana ny tongony an’ila. Araka izany, lasa nitondra takaitra tsy fidiny izy. Araka ny fantatra dia manam-bady i Aina Sarobidy ary bevohoka, ho teraka amin’io volana desambra ho avy io ilay vadiny. Kamboty ihany koa izy ireo, ka izy no miahy ireo zandriny, izay mbola mianatra avokoa. Amin’izao fotoana mbola itsaboany tena izao, dia ny nenitoany no mampiantrano azy.

Tonga nitsidika azy teny Ambatobe, toerana misy azy amin’izao fotoana, ny teo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika Fanavaozana an’i Madagasikara androany, notarihin’ny filoham-panjakana, ny kôlônely Randrianirina Michaël, notronin’ireo mpanolo-tsaina avo 4 mirahalahy.

Mila fanampiana hividianana solon-tongotra

Amin’ny maha-mpirahalahy mpiara-mitolona no anton’izao fitsidihana izao, hoy ny kolonely Rabearimanana Lucien. Nanolotra vola 5 tapitrisa Ar sy vary 2 gony, ho fanohanana azy, ireo ekipan’ny fiadidian’ny Repoblikan’i Madagasikara. « Tsy manadino ny ezaka nataonareo ny firenena. Ny fitiavan-tanindrazana no nahatonga anao ho toy izao. Mankahery, aza kivy ! », hoy ny kôlônely Randrianirina Michaël.
Nandritra ity fitsidihana ity no nitantaran’i Aina Sarobidy fa manana fahaizana momba ny mekanika izy, ary « mécanicien d’engin » no asany. Noho izao fahasembanana nanjary nahazo azy izao anefa, dia mila solon-tongotra (prothèse) izy, mba hahafahany miverina miasa indray. « Mety tsy hahavita 100% intsony aho, fa hahavita hatramin’ny 80% », hoy ny nambarany. Mbola tsy manana fahafahana hividy izany solon-tongotra izany anefa izy amin’izao, ka nangataka fanampiana tamin’ireo tomponandraikitra. Tombanana ho manodidina ny 124 699 920 Ariary (24000 euros) ny vidin’izany. Nilaza ny hiezaka hanao izay vitany ny filoham-panjakana, fa niantso ireo malala-tanana ihany koa mba hanohana an’i Aina Sarobidy. Etsy an-daniny, hodinihina ny fahafahana mandray azy hiasa, hoy ny kôlônely Randrianirina Michaël.

Taorian’ny fitsidihana an’i Aina Sarobidy teny Ambatobe, dia nanatanteraka fitsidihana teny Ambohibao Andranoro ihany koa ny avy eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika Fanavaozana an’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires