• Cours de change
  • 5079.81 AR
  • |
  • $4472.21 AR
Copyright Image : © Sida Info
Image
Vaovao

Ady amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza : Hotanterahina amin’ny desambra ny vakisiny

25/11/2025 14:04 © Moov

« Ho avy izy » hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavana Misahana ny Fandaharan'asa momba ny Vaksiny eto Madagasikara, nampahafantatra ny fotoana hanatanterahana ny vakisiny hiadiana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza (Vaksiny anti-HPV).

Nahemotra amin’ny desambra

Raha tokony notanterahina ny volana oktobra lasa teo ny fanatanterahana ity vaksiny ho an’ny ankizivavy 9 hatramin’ny 14 taona ity dia nahemotra izany noho ny toe-draharaham-pirenena. Araka izany, ho avy ny fotoana hanaovana azy dia ny 8 hatramin’ny 12 desambra izao izany. Ireo ankizivavy mbola tsy niditra tamin’ny firaisana ara-nofo no ho tolorana azy ity satria natao hiarovana mialoha io aretina io ny asany. Maimaim-poana tanteraka ny fanaovana izany ary eny amin’ireo CSB rehetra manerana ny Nosy.

Ity no homamiadana fahefatra mpahazo ny vehivavy

Raha efa fotoana efa ela no nangatahan’ny fanjakana malagasy ny hampidirana ity vakisiny ity dia tamin’ity taona 2025 ity izany vao tonga. Daozina vaksiny « anti-HPV » 547 070 isa no noraisina teny amin’ny trano fitahirizana vaksinin’ny fandaharan'asa fanaovam-baksiny faobe (PEV) eny Ivato, ny volana septambra lasa teo. Mbola andrasana kosa ny daozy hafa ho tonga, ato ho ato, ka 2,2 tapitrisa no ho totalin’izany. Natao indrindra izany mba hiarovana ny vehivavy malagasy satria ity aretina ity no homamiadana fahefatra mpahazo ny vehivavy, raha ny fanambaran’ny OMS. Raha ny antontan’isa navoakan’ity farany tamin’ny 2024 dia nahitana tranga vaovao manodidina ny 660 000 sy fahafatesana 350 000 noho io aretina io tamin’ny taona 2022. Ity fanaovana vakisiny ity anefa dia efa afaka hiaro mialoha. Amin’izao fotoana izao dia efa miparitaka manerana ny Nosy ireo vaksiny ho ampiasaina ireo. Marihina fa aretina azo tsaboina tsara ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza saingy mila fantatra mialoha.

Lire la suite

Articles Similaires