• Cours de change
  • 5079.81 AR
  • |
  • $4472.21 AR
Copyright Image : © Deco.Fr
Image
Fahalalana Ankapobeny

Torohevitra mahomby handroahana ny lalitra ao an-trano

24/11/2025 15:48 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra mahasorena sy manelingelina rehefa fahavaratra toy izao ny fidiran’ny lalitra ao an-trano. Saika misy azy avokoa ny efitrano rehetra, na ny ao an-dakozia, efitrano fisakafoanana, efatra fatoriana… Ho an’ireo tsy tia mampiasa vokatra famonoana sy fandroahana lalitra ao an-trano misy akora simika dia atoro eto ireo torohevitra natoraly mandaitra azo atao.

Fantarina ny fihetsiky ny lalitra ahafahana miady amin’izy ireny

Alohan’ny hanomboana amin’ny ady amin’ny lalitra dia ilaina ny mahafantatra ny fihetsik’izy ireny sy ireo zavatra manintona azy ao an-trano. Isan’ny zavatra manintona azy ireny indrindra ny :
-Hafanana sy ny hamandoana ;
-Fofon-tsakafo ;
-Fako sy « matières organiques » mihasimba (lo) ;
-Hazavana.
Ankoatra izay dia mitombo isa haingana be ny lalitra. Ny lalitra vavy dia afaka manatody 400 hatramin’ny 600 eo amin’ny fiainany. Noho izany dia ny fidiran’ny lalitra vitsivitsy ao an-trano dia mety hampirongatra azy ireo malaky.

Fisorohana ny firongatry ny lalitra : ireo fihetsika mila atao

Ny fisorohana no dingana voalohana ny fidiran’ny lalitra ao an-trano sy ny firongatr’izy ireo. Anisan’ireo fihetsika tsara hampiarina ny :
Fitandrovana ny fahadiovana
-Diovina tsara sy matetika ny lakozia sy ny toerana fikarakana sakafo ;
-Esorina malaky ny poti-tsakafo sy ny ambin-tsakafo rehetra ;
-Sasany avy hatrany ny lovia sy ny fitaovana avy nampiasaina ;
-Ariana matetika ny fako fa tsy avela hiangona.
Tandremana tsara ny fako
-Ny fanariam-pako no tena tian’ny lalitra. Mba tsy hanintona ireto farany ary dia :
-Fanariam-pako misarona tsara no ampiasaina ;
-Sasana matetika amin’ny vinaigitra fotsy ny fanariam-pako ;
-Asiana karibonetra ao amin’ny farany ambanin’ny fanariam-pako mba hiadiana amin’ny fofona ratsy ;
Arovana tsara ny sakafo
-Ny voankazo sy legioma masaka dia tena ankafizin’ny lalitra. Mba hiarovana ireo sakafo ireo ary dia tsara raha :
-Ampirimina anaty vata fampangatsiahana avy hatrany izy ireny ;
-Mampiasa lamba manify na fanaronana sakafo ho an’ireo sakafo mipetraka fotsiny ety ivelany ;
-Hoanina malaky ireo voankazo masaka be na atao « confitures ».

Ireo akora natoraly mandroaka ny lalitra

Maro ireo karazana zavamaniry manitra mandroaka lalitra. Sady tsy mankarary izy ireny no tsy mandoto ny tontolo iainana. Anisan’izany ny solila, « lavande », « basilic », « géranium »… Noho ireo zavamaniry ireo mahery fofona no tsy hitiavan’ny lalitra azy ireo. Azo atao ny mamboly azy ireny akaikin’ny varavarankely na ao an-trano mihintsy mba hanakana ny lalitra tsy hiditra.

Lire la suite

Articles Similaires