• Cours de change
  • 5174.79 AR
  • |
  • $4503.02 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Ministeran’ny Tontolo Iainana : Tsy hanova olona ny minisitra vaovao, fa hiasa avy hatrany

29/10/2025 16:14 © Moov.Mg

Niara-nanamafy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy teo aloha, Fontaine Max Andonirina, sy ny minisitra vao voatendry, Manesimana Rafanomezantsoa Michaël, androany, fa andry iankinan’ny fiainan’ny Malagasy ny tontolo iainana. Nandritra ny lanonana fifamindram-pahefana teo amin'ny roa tonta, androany, no samy nilazan’izy ireo izany.

Ministera nahavita dingana maro

Teny Antsahavola, misy ny biraon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), no nanatanterahana ny fifamindram-pitantanana, teo amin’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy teo aloha, Fontaine Max Andonirina, sy ny minisitra vao voatendry, Manesimana Rafanomezantsoa Michaël, androany 29 ôktôbra 2025. 20 volana no nitantanan’i Fontaine Max Andonirina izany ministera izany, raha ny 14 janoary 2024 no nandraisany ny toerana. Izy no minisitra tanora indrindra tao anatin’ny governemanta teo aloha, satria vao 28 taona monja izy tamin’ny fotoana naha-voatendry azy.

Notsiahiviny, nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny santionan’ireo zava-bita nisongadina, nandritra ny fotoana nitantanany ny MEDD. Isan’ny tanjona napetraka, ary heveriny fa efa tratra, ny fametrahana amin'ny toerany ity ministera ity. Miha-hajain’ny olona ny MEDD, na eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, hoy izy. Hita taratra, ohatra izany, nandritra ny fandraisana anjara tamin’ireny Fihaonana an-tampony momba ny Tontolo Iainana (COP) ireny. Isan’ny nireharehany ihany koa ny fahafahan’ireo mpianala, nilanja basy indray, nandritra ny fanatanterahana ny matso teny Mahamasina, tamin’ny fankalazana ny fetin’ny niverenan’ny fahaleovantena farany teo.

Hanohy ny asa efa natomboka

Nampanantena ny hanohy ny asa efa notanterahin’ny teo aloha ny minisitra Manesimana Rafanomezantsoa Michaël, izay tsy olona vaovao akory, fa efa niara-niasa teo anivon’ny MEDD, nandritra ny 7 taona teo ho eo, araka ny nambarany. Araka izany, tsy mieritreritra ny hanova ireo mpiara-miasa ihany koa izy, raha ny nolazainy nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa hifantoka avy hatrany amin’ny asa.
Maro ireo fanamby atrehin’ny MEDD, amin’ny maha-andry iankinan’ny fiainan’ny Malagasy ny tontolo iainana. Isan’izany ny fandripahana ala, ny fanondranana an-tsokosoko, ary koa ny tsy fahampian’ny rano, izay isan’ny notakiana nandritra ireny fihetsiketsehana ireny ny hamahana izany olana izany, hatrany am-piandohana. Nilaza ny ho vonona hiara-hiasa amin’ireo rehetra voakasik’ireo oloana ara-tontolo iainana ireo ny minisitra, ary nosinganiny manokana tamin’izany ny fiarahamonim-pirenena. Ireto farany moa, raha tsiahivina, dia nanatitra taratasy misokatra ho an'ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, tamin’ny alahady lasa teo. Izany taratasy izany dia ahitana ireo heverin'ny firaisamonim-pirenena sy mpisehatra ara-tontolo iainana fa tokony ho fototra hiaingan'ny fanavaozana eto Madagasikara, dia ny tontolo iainana sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary izany.

Tamim-pirahalahiana no nanatanterahana ny lanonana fifampindram-pitantanana teo amin’ireo minisitra roa tonta androany. « Rehefa tafiditra ao anaty biraon’ny minisitra, dia efa tsy maintsy vonona amin’ny andro hivoahana, satria indramina fotsiny ny ministera », hoy i Fontaine Max Andonirina.

Lire la suite

Articles Similaires