• Cours de change
  • 5187.19 AR
  • |
  • $4515.35 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Filàn-kevitry ny minisitra voalohany : Namafisina ireo laharam-pahamehana 6 hitondra ho amin’ny fanavaozana

29/10/2025 07:06 © Moov.Mg

Nanatanteraka ny filàn-kevitry ny minisitra avy hatrany ireo mpikamban’ny governemanta, taorian’ny lanonana fanendrena azy ireo, izay notontosaina omaly 28 ôktôbra 2025, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Ity, araka izany, no filàn-kevitry ny minisitra voalohany, ao anatin’izao rafitra Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara izao.

Laharam-pahamehana mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka

Nitarika ity filàn-kevitry ny minisitra voalohany ity ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny filoham-panjakana Randrianirina Michaël sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama. Nandritra izany no nametrahana ireo laharam-pahamehana miisa enina, ho fandrindrana ny asa fitantanana ny firenena, araka ny hetahetam-bahoaka sy notakiana teny an-kianja, dia ny fisitrahan'ny rehetra ny angovo; ny fisitrahan'ny rehetra rano fisotro madio sy ny fanadiovana; ny fisitrahan'ny rehetra fahasalamana ; ny fisitrahan'ny rehetra fanabeazana tsara kalitao sy mendrika ; ny famoronana asa ho an'ny tanora ary ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana ho amin'ny fanavaozana. Efa hatramin’ny fotona nanatanterahany ny fianianany rahateo, no efa nambaran’ny filoham-panjakana ireo laharam-pahamehana ireo, izay nohamafisina nandritra izao filàn-kevitry ny minisitra voalohany izao.

60 andro hitondrana vokatra

Nambaran’ny filoham-panjakana Randrianirina Michaël, omaly, nandritra ny lanonam-panendrena ireo minisitra, ary mnbola namafisiny tao anatin’ny filàn-kevitry ny minisitra, fa 60 andro no omena ireo mpikamban’ny governemanta vao notendrena mba hitondrana vokatra azo tsapain-tanana. Nazavainy fa mason-tsivana nisafidianana azy ireo ny fahaiza-manao ananan’izy ireo avy, ka « tokony haneho fahombiazana sy fahavitrihana izy ireo, araka ny fe-potoana napetraka ». Nanome toromarika ny amin’ny toetra tokony ananan’ireo minisitra ihany koa ny praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama. Nanamafy izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ka nanipika ny maha-zava-dehibe ny ady amin'ny kolikoly sy ny tsy maintsy hananana fitondran-tena maodely eo amin'ny sehatry ny asa.

Efa nisy ihany koa moa ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony, nandritra ity filàn-kevitry ny minisitra voalohany ity. Isan’izany ny tale jeneralin'ny mpandraharaha ny fonja, Rasamoelina Herinirina Roger.

Lire la suite

Articles Similaires