• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Commentconserve
Image
Fahalalana Ankapobeny

Solomaso : Ahoana no tsy haha-mora vaky na kiaka azy ?

23/10/2025 06:37 © Moov

Fitaovana manampy ny maso ny solomaso ka tsy tokony atao tsinontsinona ny fitandremana azy. Lafo rahateo ny vidiny ka mendrika tandrovana tsara.

Lamba malefaka voatokana no hamafana solomaso

Tsy fafana amin'ny "mouchoir" na amin'ny akanjo ny solomaso. Na lamba "coton" aza mantsy no ampiasaina dia mety hamaritra ny vera. Tsara araka izany raha ilay lambakely efa voatokana mihitsy no hamafana solomaso. Matetika dia ampiarahan'ny mpivarotra amin'ny boatin-tsolomaso io lambakely malefaka io. Azo ampiasaina ihany koa ny "chiffon microfibre" raha madio tsara.
Tanana roa hatrany no miasa rehefa manala na mampiditra solomaso.

Ampirimina amin'ny tranony ny solomaso

Tokony hanana tranon-tsolomaso mafy tsara avokoa ireo manao solomaso rehetra. Vantany vao esorina eny amin'ny tarehy ny solomaso dia tokony alefa ao anaty tranony, fa tsy apetrapetraka eny ambony latabatra na eny am-pandriana. Mety ho voapetraka na voadona ny solomaso ka ho folaka ny tahony na ho vaky ny vera.

Tsy manao solomaso rehefa manao fanatanjahantena

Marobe ireo manjavona ny maso raha vantany vao manala solomaso. Tsy tokony anaovana nefa ny solomaso rehefa manao fanatanjantena satria mety ho voadona tampoka na hipitika. Ilaina araka izany ny mizatra tsy manao solomaso rehefa mihetsiketsika ny vatana.

Tandremana ny setroka sy ny entona ary ny hafanana be

Manimba ny veran'ny solomaso ny setroka sy ny entona. Tsy tokony hifanandrify amin'ny vilany ny tarehy rehefa manokatra izany, mba tsy hivantana any amin'ny solomaso ny entonaSimba ihany koa ny solomaso raha toa ka mafana loatra ny toerana hametrakana azy, indrindra raha plastika ny tahony.

Lire la suite

Articles Similaires