• Cours de change
  • 5197.06 AR
  • |
  • $4444.35 AR
Copyright Image : © Generali
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra hampitoniana ny havizanan’ny maso

17/09/2025 11:54 © Moov.Mg

Rehefa mampiasa « écrans » mandritra ny fotoana maharitra sy matetika loatra dia lasa reraka ny maso. Miseho amin’ny fahatsapana toy ny hoe maina ny ao anaty maso, mangidihidy, manindrotsindrona, manjavozavo ny fahitana… Mba hampitoniana ny havizanan’ny maso dia misy ireo torohevitra manampy azo atao ao an-trano.

Mampiasa « compresses » mangatsiaka hampitoniana ny havizanan’ny maso

Anisan’ireo fomba mandaitra hampitoniana ny havizanan’ny maso ny fampiasana « compresses » mangatsiaka. Ny hatsiaka dia manana fiasa « constrictive » eo amin’ireo lalandrà sy « capillaires sanguins » manodidina ny maso. Rehefa mihatery izy ireo dia mampihena ny fivontosana manodidina ny maso. Ankoatra izay, manana fiasa mampitony fanaintainana eo noho eo ny « compresses » mangatsiaka (fa tsy maharitra) noho izy io manadonto kely ireo « terminaisons nerveuses ». Etsy andaniny moa dia mampitony ireo hozatry ny maso niasa mafy io hatsiaka avy amin’ny « compresses » io. Tsotra ny fampiasana azy, lemana rano mangatsiaka ny « compresses » ary io no apetraka eo amin’ny hodi-maso, mikipy, mandritra ny 15 minitra.

Silaka kaokaombira

Isan’ireo fikafika natoraly efa fampiasa hatry ny ela hampitoniana ny harerahan’ny maso ny kaokaombira. Mitovitovy amin’ny fiasan’ny « compresses » mangatsiaka ihany moa ny fiasan’ity legioma ity noho izy mangatsitsiaka. Ny kaokaombira ihany koa dia mitahiry rano betsaka ka mampahazo aina ny maso vizaka sy mampitony ny mety ho fanaintainana eo aminy. Mitony ny hozatry ny maso, mihena ireo fivontosana manodidina ny maso ary mihena ny hidihidy vokatry ny havizanan’ny maso. Tsotra ny atao : sasana tsara ny kaokaombira, tetehana manifinify ary apetraka eo ambony hodi-maso mandritra ny 15 minitra. Indray mandeha mampiasa ihany dia soloina rehefa hamerina hanao izany.

Orina ny maso

Fihetsika iray tsy dia mahazatra ny manotra ny maso nefa dia tena manampy hampitoniana ny havizanan’ny maso tokoa ny fanaovana izany. Tsy mila mila fanorana sarotra be ary vetivety ihany ny hanaovana azy nefa dia misy vokatra eo noho eo. Rehefa orina ny faritra manodidina ny maso dia mikoriana tsara kokoa ny rà eo amin’izany ary mahazo « oxygénation » tsara kokoa mba hamoahana ireo « toxines ». Ankoatra izay, ny fanorana ny maso dia mampitony ny aretina andoha, mampihena ny kentrona eo ambany maso ary mampisinda ny harerahan’ny maso.

Fanamarihana

Marihana fa torohevitra manampy hampitoniana ireo fahatsapana manelingelina vokatry ny havizanan’ny maso ihany ireo natoro ireo. Raha toa ka tsy mety mitony ireo fambara ireo na koa tsy mety misinda anatin’ny andro maro dia tsara raha manantona mpitsabo maso hanao fizahana. Ny mpitsabo no mamaritra raha avy amin’ny havizanan’ny maso ireo fahatsapana ireo na soritr’aretina areti-maso. Izy ihany koa no manome ny fitsaboana sahaza.

Lire la suite

Articles Similaires