Fahasalamana : fomba fampiasana ny tongolo hampitoniana ny sery
Akora natoraly fampiasa hatry ny ela hampisindana ny sery ny tongolo na « oignon ». Ankoatra ny mineraly, vitamina sy « antioxydants » ao aminy dia ahitana « quercétine » sy « composés soufrés » izay manana fiasa « anti-inflammatoire » sy mampitombo ny hery fiarovana izy io. Azo atao fanampin’ny fitsaboana hampisindana ny sery noho izany ny tongolo ka toy ireto atoro manaraka ireto ny fomba fampiasana azy.
Fampiasana ny tongolo hampitoniana ny sery : atao lasopy tongolo
Isan’ny fomba fampiasana ny tongolo mba hampitoniana sery ny fihinanana azy io atao lasopy. Sady manampy mampisinda ny sery ity nahandro ity no miady amin’ny harerahana ateraky ny otrikaretina. Tsotra ny fanamboarana azy. Tetehana ny tongolo lehibe 7, endasina vetivety amin’ny dibera. Arotsaka ao ny hasina tongolo gasy 2 voatoto sy ny lafarina 2 sotro fihinanana. Rehefa mahazo loko ny lafarina dia tapohana « bouillon » 1l efa mafana ary avela hiketrika 15 minitra eo ho eo. Sotroina mafana mba hahazo vokatra tsara.
Manao « sirop » vita amin’ny tongolo
Fomba iray hafa azo ampiasana ny tongolo hampisinda ny sery ny fihinanana « sirop » vita amin’ity akora natoraly ity. Manampy amin’ny fampitoniana ny sery sy ny kohoka moa izy ity. Tetehana manify ny tongolo lehibe iray ary raharahana tantely mandrakotra azy. Avela hilona mandritra ny ora maromaro avy eo totoina amin’ny « mixeur » miaraka amin’ny ronono kely. Tsihifina tsara ary io ranony io no hoanina 1 sotro fihinanana in-4 isan’andro. Tsy azo hoanina mihoatra izay satria mety hankarary kibo indray.
Apetraka eo an-doham-pandriana ny tongolo rehefa hatory amin’ny alina
Rehefa alohan’ny hatory iny dia asiana tongolo voatetika eo an-doham-pandriana sy amin’ny toerana maromaro ao amin’ny efitrano fatoriana. Ny entona avoakan’ny tongolo dia manampy amin’ny fanamandinana ny taovam-pisefoana, fampitoniana ny kohoka ary fanatsarana ny kalitaon’ny rivotra iainana. Tetahana manify ary ny tongolo 2 lehibe ary zarazaraina anaty lovia kely. Ireo lovia ireo no zarazaraina apetraka ao amin’ny efitrano fatoriana, ny iray eo akaikin’ny loham-pandriana, ny sasany eo amin’ny faritra hafa manodidina ny fandriana. Soloina isan-kalina ireo tongolo.
Fanamarihana
Marihana fa mbola tsy misy hatreto ny vokam-pikarohana manamarina fa afaka mitsabo ny sery ny fampiasana tongolo. Noho izany dia tsy tokony ampiasaina mitokana ireo fikafika natoraly ireo fa atao fanampin’ny fitsaboan’ny mpitsabo.