• Cours de change
  • 5184.07 AR
  • |
  • $4448.51 AR
Copyright Image : © Gamoto Raika My
Image
Vaovao

Hain-trano tany Mananjary : Maherin’ny 2.000 no traboina, nisy mpivady namoy ny ainy

16/09/2025 15:28 © Moov.Mg

Nahafatesana olona roa, mpivady, ny hain-trano nitranga tany amin’ny Distrikan’i Mananjary, omaly alina. Tanàna miisa 3 no ravan’ny afo ary an’arivony maro ireo traboina. Nanatanteraka fivoriana maika, ho fandrindrana ny famonjena azy ireo, ny Birao nasiônaly misahana ny fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), androany maraina.

Trano maherin’ny 300 tafo no kila

Tokony ho tamin’ny efatra ora sy fahefany tolakandro, omaly 15 septambra 2025, no nanomboka ny hain-trano, tao Anosinakoho, araka ny fampitam-baovao avy any Manjary, Faritra Vatovavy. Niitatra nianatsimo izany rehefa tsy voafehy, ka nahazo ny tanànan’Ankadindrano sy Masindrano. Efa tany ho any amin’ny 10 ora sy sasany alina vao maty ny afo, araka ny fantatra. Ny mponina sy ireo tomponandraikitra eny ifotony no niezaka nifandrimbona namono ny afo, fa tsy manana mpamonjy voina ny kaominina an-drenivohitr’i Mananjary. Tsy nahafahana namono ny afo ihany koa ireo fiara mpamono afon’ny orinasa tsy miankina any an-toerana.

Nisy mpivady namoy ny ainy, tao anatin’izany trangana afo izany, araka ny fampitam-baovao avy any Mananjary. 2 236 kosa no isan’ireo traboina, araka ny antontan’isa mbola tsy ôfisialy, nomen’ny Solombavambahoaka Haja, voafidy tany amin’ny Distrikan’i Mananjary. Trano maherin’ny 300 tafo no kila forehitra. Maro tamin’ireo olona tra-pahavoazana no very fananana nohariana efa am-polo taonany maro.

Fanampiana maika

Manoloana izao tranga ilàna valy maika izao, dia nanatanteraka fivoriana maika teny Antanimora ny BNGRC androany 16 septambra 2025, ho fandrindrana ny fomba fiasa. Efa misy sakafo tonga dia vonona ho an’ireo mponina traboina any an-toerana, raha ny fanazavan’ny jeneraly Andriakaja Olivier Elack, tale jeneralin’ny BNGRC, izay efa tafiditra ao anatin’ny fiomanana efa napetraka raha sendra loza tampoka tahaka izao. Raha ny toerana ipetrahana indray dia ireo sekoly aloha no mampiantrano azy ireo ankehitriny. Androany ihany moa dia efa nandefa sakafo, ahitana vary, menaka, voamaina, sy kojakojan-dakozia toy ny vilany, vilia, koveta… ho an’ireo traboina ny BNGRC, miaraka amin’ny ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina. Ankoatra ireo, dia trano lay manodidina ny 100 isa ihany koa no halefa, mba ho fonenana vonjimaika ho an’ireo mponina traboina. Etsy an-daniny, misy vary 30 taonina avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika efa niainga tao Fanadiana, hisy « kits scolaires » hozaraina amin’ireo mpianatra ary handefa lay misy odimoka sy fanafody, hanampy ireo efa misy any an-toerana, ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Androany ihany koa dia nandeha nankany Manakara ireo mpikamban’ny governemanta, ahitana ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, ny minisitry ny Ati-tany ary ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, miaraka amin’ny « directeur des opérations » eo anivon’ny BNGRC. Nomarihin’ny jeneraly Andriakaja Olivier Elack, fa nahitana trangana afo nisesisesy tamin’ny Faritra miisa 5 samy hafa teto Madagasikara, tao anatin’ny telo andro, toy ny tany Tsiroanomandidy, Bekily, Analanjirofo, Antsohihy… fa ity nitranga tany Mananjary ity no goavana indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires