• Cours de change
  • 5184.07 AR
  • |
  • $4448.51 AR
Copyright Image : © Lld-Fampandrosoana-Ifotony
Image
Vaovao

Famokarana : Mpiompy 62 nampiofanina momba ny teknika nohatsaraina amin’ny fiompiana akoho gasy

16/09/2025 14:12 © Moov

Tantsaha miisa 62 no nahazo fiofanana momba ny teknika nohatsaraina amin’ny fiompiana akoho gasy, natao tao amin’ny faritra Boeny. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa FVC/GLO/193/MUL, tohanan’ny FAO sy ny Vondrona Eoropeana vola izy io, miaraka amin’ny fanampian’ireo ministera roa misahana io sehatra io sy ny governoran’ny faritra.

Fampiharana teknika vaovao hahazoana tombony bebe kokoa

Ny fiompiana akoho gasy, izay efa fanaon’olona maro be any ambanivohitra, dia hita fa hahafahana maminavina fampivoarana ara-toekarena lehibe. Na izany aza, mbola ambany ny vokatra noho ny tsy fahampian’ny teknika maoderina. Noho izany, dia natao ity fiofanana ity, miisa 23 no nandray anjara tao Andranofasika ary 39 kosa tany Antrema.
Nampianarina tamin’izany ny fomba fisafidianana ny reny akoho, ny fanamboarana toeram-piompiana sahaza azy ireo, ny fanomezana sakafo voalanjalanja, ny fitandrovana fahadiovana sy fisorohana aretina. Natao laharam-pahamehana ihany koa ny fitantanana sy fanaraha-maso ny zanak’akoho, ary ny fomba hahazoana tsena, mba hanamora ny fahazoan’ny tantsaha tombony ara-toekarena.

Fiahiana ara-tsakafo sy fampandrosoana

Araka ny fanazavan’ireo mpampiofana, ny fampiharana ireo teknika nohatsaraina ireo dia ahafahana mamokatra akoho salama kokoa, mitombo haingana ary mahatratra lanja tsara. Izany dia afaka manampy amin’ny fiarovana ara-tsakafo ho an’ny tokantrano maro. Ankoatra izany, manome loharanom-bola maharitra ho an’ny fianakaviana ambanivohitra izy, sady manome lanja ny harena eny an-toerana.
Ity tetikasa ity moa dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa « Intégration de la biodiversité dans les secteurs agricoles pour mettre en œuvre le Cadre mondial pour la biodiversité Kimmung – Montréal », ao anatin’ny « Instrument de contribution volontaire flexible (FVC) » sy ny « Renforcement des capacités liées aux accords environnementaux multilatéreaux dans les pays ACPPhase III ». Izy ireo dia tohanan’ny Vondrona Eoropeana sy tanterahana miaraka amin’ny tohana ara-teknika avy amin’ny FAO. Nanome fanohanana ihany koa ny ministeran’ny Fambolena, ny Jono, ny Tontolo iainana ary ny Governoran’ny Boeny.
Marihina fa efa maro ny toerana mampihatra ity fomba fiompiana maoderina ity. Ity fampiofanana tao Boeny ity kosa dia mamaritra fa azo atambatra ny fomba nentim-paharazana sy ny fomba maoderina, ka ahafahana manandratra ny fiompiana akoho gasy ho sehatra maharitra sy afaka mifaninana manerana izao tontolo izao.

Lire la suite

Articles Similaires