Mihena ho azy nefa tsy nampihena tena : ireo mety ho antony
Toe-javatra tokony hahamailo mikasika ny fahasalamana amin’ny ankapobeny ny fihenana ho azy. Raha nihena be tampoka nefa tsy fantatra mazava ny antony nahatonga izany dia tsara hatrany ny mikaroka ny mety ho olana nitarika izany ary mitsabo tena raha ilaina. Inona ary ireo antony mety mampihena tampoka ? Inona no vahaolana ? Araho eto ny mikasik’izany.
Mihena ho azy : mety avy amin’ny aretin-kibo
Ny aretin-kibo na « maladies gastro-intestinales », toy ny « maladie cœliaque », « maladie de Crohn », « colopathie fonctionnelle » sy ny « colite ulcéreuse » dia mety mampihena be tampoka. Ireo aretin’ny tsinay ireo dia misy fiantraikany eo amin’ny fahafahan’ny vatana handray ireo otrikaina ka mitarika fihenan’ny vatana.
Olana na fikorontanan’ny hormonina
Ny fikorontanan’ny hormonina, toy ny avy amin’ny « thyroïde », dia mety manafaingana ny « métabolisme » ary mahatonga fihenana tampoka tsy fantatra antony. Torak’izany ihany koa ny diabeta tsy voaara-maso ka lasa mampihena ho azy.
Homamiadana
Mety ho isan’ireo fambara miseho aloha be eo amin’ny karazana homamiadana sasany, toy ny homamiadan’ny avokavoka, ny sakaraty sy ny vavony ny fihenana be tampoka. Maro ireo anton-javatra mety mahatonga izany, toy ny hoe mitombo ny hery ampiasain’ny vatana hiadiana amin’ilay aretina, mihena ny fahatsapana hanoanana vokatry ny « facteurs hormonaux » avoakan’ilay « tumeur » na koa hoe lasa miova ny fahatsapana tsiro.
Rarin-tsaina sy tebiteby
Ny rarin-tsaina maharitra sy ny tebiteby dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahazotoan-komana ary mitarika fihenana ho azy. Ireo olona miadi-tsaina lava dia mety lasa malain-komana ary tsy mahasahana ny fitazomana ny lanjan’ny vatana araka ny tokony ho izy ny kaloria hoaniny.
Fahaketrahana
Ny fahaketrahana na « dépression » dia mety manakorontana ny fahazotoan-komana sy ny faharisihana hikarakara tena. Mazava ho azy fa mety hampihena ho azy izany. Ireo olona tratry ny fahaketrahana dia mety hahatsapa hoe mihena ny fitiavana misakafo ary mety lasa tsy hazoto homana mihintsy.
« Effets secondaires » ny fanafody sasany
Misy karazana fanafody mety mahatonga fihenana ho azy noho izy ireny mety manakorontana ny fahazotoan-komana sy ny « métabolisme ». Anisan’izany fanafody izany ohatra ny « anti-douleurs », ny « antidépresseurs » sy ny fanafody hitsaboana areti-mitaiza sasany. Ny fisotroana toaka be loatra sy maharitra ihany koa dia mety hampihena be tsy fanahiniana.
Areti-mitaiza sasany
Misy amin’ireo karazana areti-mitaiza, toy ny « insuffisance rénale », « insuffisance cardiaque »… no mety mitarika fihenana ho azy. Ireo aretina ireo dia manakorontana ny fiasan’ny vatana, toy ny « métabolisme », ka lasa mampihena ny lanja. Mety mahatonga io fihenana ho azy io koa ny « maladies infectieuses » sasany.
Inona no atao raha mihena ho azy tsy fantatra antony ?
Raha toa ka mahatsikaritra fa mihena ho azy nefa tsy fantatra mazava ny anton’izany dia mila manantona mpitsabo mba hizaha fahasalamana. Ny mpitsabo no mampanao ireo fitiliana ilaina mba hitadiavana mazava ny mety ho olana ara-pahasalamana nahatonga io fihenana io. Miankina amin’ny antony moa ny fitsaboana ny fihenana ho azy.