Fahasalamana : ireo fambaran’ny « infarctus » eo amin’ny vehivavy
Isan’ny aretin’ny fo sy ny lalandrà mahafaty olona maro ny « infarctus du myocarde » na ny « crise cardiaque ». Marihana fa tsy voatery mitovy ny fisehon’ity aretina ity eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny tsy fahafantarana ireo fambara manokana mety miseho eo amin’ny vehivavy matetika no isan’ny mahatara ny fandraisana an-tanana ny aretina eo amin’izy ireny. Andeha ary ho fantarina eto ireo fambaran’ny « infarctus » eo amin’ny vehivavy.
Inona no mahatonga ireo fambara hafan’ny « infarctus » eo amin’ny vehivavy ?
Avy amin’ny anton-javatra ara-biolojika sy ny tsirim-panentana ary tsy fitoviana eo amin’ny fizaran’ny aretin’ny fo sy ny lalandrà no mahatonga ny fisian’ny fahasamihafana eo amin’ny fambaran’ny « infarctus » eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny vehivavy tokoa mantsy dia mety ho tratrin’ny aretin’ireo lalandrà madinika kokoa noho ny lehilahy.
Izany dia mety mitarika soritr’aretina tsy mahazatra. Mety handrisika ireo fambara hafa hita eo amin’ny vehivavy ihany koa ny anton-javatra ara-psykolojika sy sosialy, satria ny vehivavy dia mety hanafangaro ireo fanaintainana sy ny tsy fahazoany aina amin’ny rarintsaina, ny harerahana na ny tebiteby.
Ireo fambaran’ny « infarctus » mahazatra sy fahita amin’ny lehilahy
Ireo fambaran’ny « infarctus » mahazatra dia ireo ampahafantarina ny be sy ny maro mandritra ny fanentanana mikasika io aretina io. Mety miseho eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy izy ireo arak’izany. Anisan’izany ny :
-Fanaintainana na fahatsapana misy manery mafy ao amin’ny tratra ;
-Fanaintainana amin’ny sandry havia, ny lamosina, ny hatoka, ny valanorano na ny soroka ;
-Tsy avy miaina tampoka ;
-Hatsembohana mangatsiaka ;
-Maloiloy na mandoa.
Ireo fambaran’ny « infarctus » eo amin’ny vehivavy manokana
Mety mahatsapa marary ao amin’ny tratra ihany koa ny vehivavy fa matetika tsy dia manaintaina mafy izany. Ireo fambara fampitandremana dia somary manjavozavo ary mety ho afangaro amin’ny aretina hafa. Anisan’ireo fambaran’ny « infarctus » tena fahita eo amin’ny vehivavy ny :
-Harerahana lalina tsy mahazatra sy tsy misinda na efa maka aina aza ;
-Tsy avy miaina. Izany hoe sahirana miaina na sempotsembotra nefa tsy nampiasa vatana mafy ;
-Manaintaina ao amin’ny valanirano, ny hatoka na ny ambonin’ny lamosina ;
-« Troubles digestifs » toy ny hoe maloiloy, mandoa, tsy mahalevon-kanina na mavaivay ny vavony ;
-Tsy mahazo aina, fanina.
Tsy azo hamaivanina ireo fambara voalaza ireo
Ny fanamaivanana ireo fambara manokana ireo na ny fanafangaroana azy amin’ny aretina hafa no isany mahatonga ny « infarctus » ho tena mandoza eo amin’ny vehivavy. Ireto farany tokoa mantsy matetika dia mihevitra fa avy amin’ny harerahana, rarintsaina, gripa na areti-kibo no mahatonga ireo fambara fampitandremana ireo. Izany dia mitarika fahatarana eo amin’ny fandraisana an-tanana sy ny fitsaboana ny « infarctus » ka matetika mahatonga fahasarotana ara-pahasalamana na fahafatesana mihintsy aza. Noho izany, raha mahatsikaritra ny iray na maro amin’ireo fambara voalaza ireo dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo na toeram-pahasalamana.