Vidin-tsolika Septambra 2025 : Miha-mora ny Lasantsy sy ny Gazoala
Vaovao tsara amin'ity fiandohan'ny volana septambra ity. Mihena ny vidin'ny Lasantsy sy ny Gazoala.
Mbola mitohy hatrany ny fanajan'ny Fanjakana Malagasy ny "Mécanisme d'Ajustement Automatique des Prix de carburants", fepetra hahazoan'i Madagasikara fampindramam-bola avy amin'ny FMI. Araka izany, miankina hatrany amin'ny vidin-tsolika eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no ampiharina eto Madagasikara.
Fidinan'ny vidin'ny Lasantsy sy ny Gazoala
Miverina miditra indray ny mpianatra, ka azo antoka fa hiakatra ny fandaniana solika. Somary hahazo aina ireo mpampiasa fiara na kodiarandroa satria nisy fidinany ny vidin'ny Lasantsy sy ny Gazoala.
-Lasantsy (Essence SP95) : 5 090 Ar/l raha 5 120 Ariary/l teo aloha
-Gazoala (Gasoil) : 4530 Ar/l raha 4 700 Ariary/l teo aloha
Tsy azo heverina aloha ny fampiakarana sarandalana ho an'ireo mpitatitra, na ireo miasa an-drenivohitra na ireo mampitohy faritra. Na dia mbola misy aza ny faharatsian-dalana amina lalam-pirenena maromaro, mihena ny isan'ireo mpandeha mivezivezy amin'ny zotra nasionaly sy rezionaly noho ny fahataperan'ny vanim-potoan'ny fialantsasatra.
Fiakaran'ny vidin'ny Solika Fandrehitra
Nisy fiarakarana indray ny vidin'ny Pétrole na solika fandrehitra, rehefa nahitana fidinana kely ny volana jolay sy aogositra. 3 380 Ar/l amin'ity volana septambra ity raha 3 210 Ariary/l tamin'ny volana aogositra. 170 ariary isaky ny litatra izany ny fiakarana.
Tsiahivina hatrany nefa fa mbola 2 430 Ariary ny litatry ny Pétrole tamin'ny fiandohan'ity taona 2025 ity.
