Fomba fanamboarana « fromage à tartiner » vita ao an-trano
Sakafo maraina isan’ny be otrikaina sy ankafin’ny be sy ny maro ny mofo dipaina hosorana « fromage à tartiner ». Mazava ho azy fa efa misy ireo vokatra efa vonona hoanina hita eny amin’ny mpivarotra sy ny tranombarotra lehibe eny. Azo atao ihany koa nefa ny manamboatra « fromage à tartiner » vita an-trano, sady matsiro no tsy be masonkarena.
Ireo akora ilaina raha hanao « fromage à tartiner » ao an-trano
-Ronono 1 litatra ;
-Fromage blanc 100g ;
-Ranona voasary makirana 2 sotro fihinanana.
Ireo dingana arahana amin’ny fikarakarana azy
Ampangotrahana ny ronono. Avela hangatsiaka hahazo hafanana eo ho eo amin’ny 30-35°C.
Rehefa hazo io hafanana io dia afindra anaty fitoerana misy sarony ny ronono ary arotsaka ao ny ranona voasary makirana sy ny fromage blanc. Kapohana amin’ny fouet mba hifangaro tsara.
Saromana tsara ilay fitoerana nasiana ny ronono ary avela hipetraka mandritra ny 24 ora. Raha mafanafana ao amin’ny efitrano misy azy io (20-30°C) dia vetivety kokoa dia hisaraka ny ronono sy ny rano. Raha mangatsitsiaka kosa ny efitra, latsaky ny 20°C, dia avela mipetraka 48 ora ilay ronono.
Rehefa « caillé » na hoe nisaraka ny rano sy ny ronono dia ilay ronono mivaingambaingana iny no ampiasaina. Tatavanina amin’ny passoire manify kely ary ireo fangaro ary avela hitsiaka mandritra ny 12 ora ao anaty vata fampangatsiahana.
Rehefa mitsiaka tanteraka dia vita ny « fromage à tartiner » mbola tsy misy sira. Azo asiana sira, dipoavatra sy izay hanitra tiana izy io. Afaka potserina anaty « mixeur » raha tiana halama sy mora osorana.