Fikorontanan’ny hormonina : ireo fambara tokony hahamailo
Isan’ireo tsy fahatomombanana mety miteraka olana ara-pahasalamana samihafa ny fikorontanan’ny hormonina. Tsy dia misy soritr’aretina manokana sy voafaritra moa manambara azy io, hany ka lasa atao tsirambina na eritreretina fa avy amin’ny aretina hafa izany. Ireto manaraka ireto ary misy fambaran’ny fikorontanan’ny hormonina tokony hahamailo sy handrisika hanantona mpitsabo.
Fambaran’ny fikorontanan’ny hormonina : harerahana mitoetra
Zavatra ara-dalàna tanteraka ny hoe mahatsiaro reraka tsindraindray, ohatra rehefa tsy ampy torimaso, be asa be nandritra ny tontolo andro… Raha toa kosa ka mahatsapa hoe lasa kely aina na vizaka be sy maharitra dia mety ho avy amin’ny fikorontanan’ny hormonina, toy ny « hypothyroïde », izany. Ity aretina ity dia mampiadana (ralentir) ny fiasan’ny vatana ary mety mamizaka, mampatavy sy maha kely hery. Antony hafa mety mahatonga ny harerahana mitoetra ihany koa ny « maladie d’Addison ». Ity farany dia miseho amin’ny harerahana mitoetra sy fanaintainana ao amin’ny kibo vokatry ny tsy fahampiana famokarana « cortisol » eo amin’ny « glandes surrénales ».
Fiovana lanja tampoka sy tsy fantatra ny antony
Ny fiovaovan’ny lanja, mihamahia na mihamatavy tampoka, tsy fantatra mazava ny antony dia mety ho fambaran’ny tsy fahatomombanan’ny « thyroïdien », « résistance à l’insuline » na koa « insuffisance surrénalienne ». Ireo olana ara-pahasalamana ireo dia mety hanova ny fomba hitehirizan’ny vatana ny tavy sy ny fahazotoan-komana. Marihana fa ny « thyroïde » tsy miasa tsara (hypothyroïde) dia mety hampatavy ary etsy andaniny ny « thyroïde » miasa be loatra kosa (hyperthyroïde) dia mety hampahia tsy nahy.
Fiovahovan’ny fihetseham-po matetika
Tsy aretina akory ny fiovaovan’ny fihetseham-po indraindray ary fantatra ny antony. Raha toa kosa ka miovaova matetika, ohatra isan’andro, izy io dia mety ho avy amin’ny fikorontanan’ny hormonina izany. Ireo « troubles thyroïdiens », ny « ménopause » na ny tsy fahatomombanan’ny fiasan’ny « glandes surrénales » dia mety mahatonga fiovaovan’ny fihetseham-po matetika, tebiteby na koa fahaketrahana.
Fikorontanan'ny fadim-bolana
Mahalana vao tonga fotoana, mandeha rà be mandritra ny fadim-bolana, tsy mandeha ny fadim-bolana… ireo fikorontanan’ny fadim-bolana ireo dia mety ho fambaran’ny fikorontanan’ny hormonina. Ireo soritr’aretina ireo dia mety ho fambaran’ny « syndrome des ovaires polykistiques », « trouble de la thyroïde » na fikorontan’ny hormonina hafa mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalamana amin’ny ankapobeny sy ny fahafahana mahazo zaza.
Fehiny
Raha mahatsikaritra ireo fambaran’ny fikorontanan’ny hormonina voalaza ireo dia tsara ny manantona mpitsabo hizaha ny toe-pahasalamana. Ny « endocrinologue » moa no mpitsabo manokana mikasik’izany. Tsy azo atao tsirambina ireo fambara ireo noho izy ireny mety mifono aretina mety hiteraka fahasarotana ara-pahasalamana.