• Cours de change
  • 5104.78 AR
  • |
  • $4436.62 AR
Copyright Image : © Mcc
Image
Nationale

Fifandraisana ara-kolontsaina : Nanolotra boky an-jatony ho an’ny tranom-boky eto Antananarivo i Japon

04/08/2025 15:23 © Moov

Boky an-jatony ho an’ny Tranombokim-pirenena eo Anosy sy ny Tranom-boky monisipaly eo Analakely, avy amin’i Japon. Nanolotra izany ho an’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny Masoivohon'ny Japon, SEM Abe Koji, androany, 4 aogositra.

Fanamby

Efa an-taonany maro no nifandray i Madagasikara sy i Japon. Teo amin’ny sehatra maro samihafa izany, toy ny toekarena, kolontsaina, fampandrosoana sy ny hafa. Nentin’izy ireo ho fanamafisana ny fifandraisana ara-kolontsaina amin’i Madagasikara araka izany, ity fanolorana boky ity. Raha ny fampahafantarana dia nandalo teto Madagasikara ny Minisitry ny raharaham-bahiny Japoney, ny taona 2024 teo; ary nangataka fanampiana hanatsarana ny tranom-boky i Madagasikara. Taorian’izany dia nitsidika ny tranombokim-pirenena ihany koa ity Masoivoho ity ka nahita fa tsy ampy ny boky mipetraka eo amin’ny toerana tokony hametrahana ny boky japoney. « Fanamby no antony hanolorana ireto boky ireto mba hanatsarana ny toerana sady hamaliana ny fangatahana ary hanamafisana ny fifandraisana ara-kolontsaina », hoy SEM Abe Koji.
Marihina fa boky mikasika ny Japon, sy novokarina mpanoratra japoney avokoa, ireo boky ireo. Miisa 27 amin’ireo no hapetraka ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, raha eny amin’ny tranomboky monisipaly.

Fanamafisana fifandraisana ara-kolontsaina

Nanamafy ny firaiketam-pon’i Japon amin’ny kolontsaina sy ny lova nentin-drazantsika, ary indrindra amin’ny tanora taranaka ankehitriny, amin’ny alalan’ny fanolorana boky ho fanokafana varavarana mankany amin’ny fahalalana sy tontolo vaovao ny masoivohon’ny Japana.
Ao anatin’io toe-tsaina feno fifanajana sy fisakaizana maharitra eo amin’ny firenena roa tonta io, dia nanamarika ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Mara Volamiranty Donna, fa tsy fanomezana tsotra fotsiny ihany ity lanonana fanolorana boky ity, fa fanehoana fisakaizana, fiaraha-miasa ary fitokisana lalina.

Lire la suite

Articles Similaires