Fitaterana : « Tsy tokony dilan’ny 12 volana ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga »
Efa nanomboka tamin’ny volana martsa teo ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Nitsidika ny asa ny Minisitry ny asa vaventy, androany, ary nanamarika fa « tsy maintsy hajaina ny fe-potoana napetraka ». Izany hoe tokony ho vita ny Febroary 2026, ny asa rehetra.
Mandroso ny asa
5 volana aty aoriana, hoy ny Minisitry, mandroso ny asa. Raha ny hita tany an-toerana dia efa manomboka ny fanorenana ny efitrano lehibe izay hisahana ny fitahirizana entana. Etsy ankilany dia efa vonona sy voaomana ireo fitaovana rehetra ho an’ny fanalavana ny "quai" fiaingana sy fahatongavan’ny sambo. Raha tsiahivina dia ho atao mirefy 13 000m2 ny toerana fitehirizana ary hangezana hatramin’ny 255 metatra ny « quai ». Etsy andaniny dia efa eo am-pananganana ihany koa ireo trano fandraisana sy birao samihafa ho an’ny mpiasa sy ny fitantanana.
Nanome toromarika ny orinasa CRBC, ihany koa ny Minisitra ny amin’ny hanafainganana ny asa, mba hahafahana mahatratra ny fe-potoana. “Raha ilaina dia hiasa hatramin’ny alina mba hahatrarana ny tanjona,” hoy ihany, ny Minisitra, Rafidison Richard Théodore.
Fotodrafitrasa manaja ny fenitra
Ivon’ny fivezivezen’ny sambo ao amin’ny tapany andrefan’ny Nosy ary seranan-tsambo voalohany amin’ny fanjonoana makamba ny ao Mahajanga, izy io. Sakana kosa amin’ny fandraisana ireo sambo lehibe ny fahateren’ny toerana. Araka izany, tanjon'ny asa ny mba hampitomboana ny fahafahan’ny seranan-tsambo mandray sambo lehibe. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fivoahan’ny entana sy fanondranana. Indrindra, hanampy ny fampidiram-bola ho an’ny faritra Boeny sy ho an’ny Fanjakana Malagasy, ny fisiany.
Amin’ny alalan’ity tetikasa fanarenana ity, vinavinaina ho anisan’ny seranan-tsambo stratejika indrindra ety amin’ny morontsiraka andrefan’i Madagasikara i Mahajanga. Marihina fa ny Banky Iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa CERC-PCMCI, no mamatsy vola.