Tontolo iainana : Mavitrika amin’ny fiarovana an’i Onilahy ireo mponina manodidina
Manatanteraka tetikasa hiarovana ny faritra handalovan’ny reniranon’i Onilahy, any Atsimo Andrefana ny ADES, izay tohanan’ny CEPF. Amin’ny alalan’ny fanarenana sy ny fiarovana ireo ala maina izany, no sady manohana ara-tsakafo ireo mponina manodidina. Mazoto amin’ny asa hampandraiketina azy ireo fokonolona ireo.
Mamboly hazo sady manome andraikitra ireo mponina
Miaro ny zavamananaina amin’ny alalan’ny fampandraisana andraikitra ny mponina any amin’ny faritr’i Tsinjoriake, Andatabo, Belalanda ary Amoron’i Onilahy, ny ADES Manodidina ny 115.000 ireo zana-kazo nambolena, nalaina tamin'ny alalan'ny toeram-pambolena karakarain’ireo vondrom-piarahamonina. Maneho ny fanoloran-tena sy ny fahavitrihan’ny mponina amin’ny famerenana ny tontolo iainana simba, izany, hoy ny ADES, hatrany.
Tsara ny vokatra satria hazo 500 no voaaro, 20 ireo mpiahy ny ala avy amin’ny fokonolona no nahazo fiofanana, ary 4 500 ny olona nahazo fanabeazana, indrindra fa any an-tsekoly. Ity fandaharan’asa ity moa dia mifototra amin'ny fomba fiasa hiaraha-manatanteraka, mampitambatra ny fiarovana, ny fanabeazana ary ny fampandrosoana maharitra.
Fampizakan-tena ny vehivavy ary fampihenana ny fandripahana ala
Mihoatra noho ny fambolen-kazo ny tetikasa tanterahin’ny ADES. Manamafy ny fampizakan-tena ireo vehivavy izy, miaraka amin'ny vehivavy miisa 80 mamokatra harona mora levona hiadiana amin'ny plastika. Izy io koa dia mampiroborobo ny fampiasana fatana nohatsaraina, ahafahana mahandro sady mampihena ny tsindry amin’ireo harena anaty ala. Manamafy izy ireo fa ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana dia afaka manampy amin’ny fampivelarana ny fiaraha-monina.
Raha ho an’i Onilahy manokana dia azo atao tsara ny manarina ny tontolo iainana manodidina azy, raha miara-miasa ny sehatra rehetra sy ny mponina izay handalovany. Etsy ankilany anefa dia ilaina, ny famatsiana maharitra ny tetikasa mba hampahomby azy. Raha tsiahivina dia mahatratra 400Km ny halavan’ity renirano lehibe ity ary mandalo toerana betsaka.