Tsipika lavalava eo amin’ny kibon’ny bevohoka : inona no antony ?
Rehefa bevohoka ny vehivavy iray dia lasa misy tsipika lavalava matroka na mainty mipoitra eo amin’ny kibony. Avy aiza io tsipika io ? Oviana izy no mipoitra ? Oviana no miala ? Inona no azo atao hisorohana na hanesorana azy ? Araho eto ireo tsara fantatra.
Inona ary avy aiza ny tsipika lavalava eo amin’ny kibon’ny bevohoka
Ny tsipika lavalava matroka eo amin’ny kibon’ny bevohoka na ny « ligne brune » dia fiovana lokon’ny hoditra mitsipika lavalava avy eo amin’ny « pubis » hatreny amin’ny ambava-fo, mandalo ny foitra. Avy amin’ny « réaction hormonale » vokatry ny fitondrana vohoka no mahatonga azy io.
Izany hoe rehefa miakatra ny famokaran’ny vatan’ny bevohoka hormonina, toy ny « oestrogènes », « progestérones » sy MSH (mélanocyte-stimulating hormone) dia lasa misy fiovana loko ny hoditra eo amin’io faritra io. Ny MSH moa no tena mandrisika ny famokarana « mélanine » ka mahatonga io fahamatrohan’ny lokon’io tsipika amin’ny kibon’ny bevohoka io.
Oviana no mipoitra io tsipika io ?
Mety mipoitra eo amin’ny telo volana voalohan’ny fitondrana vohoka moa io tsipika lavalava eo amin’ny kibon’ny bevohoka io. Mandritra ny telo volana fahatelo ny vohoka nefa izy io no tena hita be satria mety ho tena matroka be.
Marihana fa tsy ny hoditra eo amin’ny kibo ihany no voakasik’io fiovana loko io mandritra ny fitondrana vohoka. Mety hitranga eo amin’ny faritra hafa ihany koa izany, toy ny eo amin’ny « aéroles » izay manodidina ny lohanono, eo amin’ny elakelam-pe, ny tenda…
Ahoana ny atao hisorohana na hampisindana io tsipika lavalava amin’ny kibo io ?
Marihana fa « réaction hormonale » ara-boajanahary ary tsy misy tokony atahorana ny tsipika lavalava miseho eo amin’ny kibon’ny bevohoka. Tsy ahiana hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza izy io arak’izany.
Noho izay antony izay dia tsy misy ninoninona atao hisorohana sy hampisindana io tsipika io. Satria noho ny fikorontanan’ny hormonina mandritra ny vohoka no mampipoitra azy dia mazava ho azy fa afaka ho azy izy io rehefa teraka ilay vehivavy. Manodidina ny 2 hatramin’ny 6 volana aorian’ny fiterahana izy io no afaka.