Fomba fanamboarana « gâteau roulé à la crème vanille et fraises »
Sakafo iray tena isan’ny ankizy ny mofomamy. Maro moa ny fomba fanamboarana azy ireny sy ny akora ampiasaina amin’izany. Vokatra izao ny frezy ka ny fanaovana « gâteau roulé à la crème vanille et fraises » indray no andeha ary ho atoro eto.
Ireo akora ilaina raha hanao « gâteau roulé à la crème vanille et fraises »
Ho an’ny fanamboarana ny « génoise »
-Atody 4 ;
-Siramamy 120g ;
-Lafarina 120g ;
-Levure chimique 1 sotrokely ;
-Sira 1tsongo ;
-Extrait de vanille 1 sotrokely.
Ho an’ny fanaovana ny « garniture »
-Frezy 250g ;
-Crème liquide mangatsiaka be 250ml ;
-Sucre glace 2 sotro fihinanana ;
-Lavanila vovony na ranony 1 sotrokely.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
*Amboarina ny « génoise »
Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Sarahana ny tapotsiny sy ny tamenak’atody.
Kapohana miaraka ny tamenak’atody sy ny siramamy mandrapahazoana fangaro fotsy. Arotsaka ny extrait de vanille.
Kapohana mitokana indray ny tapotsiny sy ny sira. Rehefa mibontsina tsara lasa « blanc en neige » dia alefa ao tsikelikely ilay tamenak’atody nokapohana teo. Aroharohana moramora amin’ny spatule.
Rehefa mifangaro ireo dia alefa ao ny lafarina sy ny levure. Afangaro tsara. Rehefa vonona ny « génoise » dia velarina eo ambony « plaque de cuisson » nasiana « papier cuisson ». Tokony eo ho eo amin’ny 1sm ny hahavony. Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 10 hatramin’ny 12 minitra.
Rehefa nahazo loko dia avoaka tao anaty lafaoro. Avadika eo ambony lamba madio mando na eo ambony « papier sulfurisé ». Esorina moramora ilay « papier cuisson ». Ahorina avy hatrany ilay « génoise » ary avela hangatsitsiaka izy miorina eo.
*Amboarina ny « garniture »
Sasana ny frezy, esorina ny tahony ary tetehana. Tsy atao madinika loatra nefa tsy atao ngeza loatra ihany koa.
Kapohana ny crème liquide sy ny sucre glace mba hahazoana chantilly. Atsofoka anaty vata fampangatsiahana.
Velarina ny « génoise » rehefa mangatsiaka. Hosorana chantilly matevina tsara eo amboniny. Aparitaka milamina eo manarak’izay ny frezy voatetika. Averina ahorina indray ny « génoise ». Tsy terena loatra mba tsy hivoaka ny chantilly.
Rehefa vita izay dia fonosina « film alimentaire » ary apetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny 1 na 2 mba tsy hivoraka. Rehefa vita izay dia haingoana amin’ny sucre glace sy frezy ny tampon’ilay mofomamy. Afaka asiana ravina solila kely ihany koa hanome endrika azy.