Lac sacré Mangatsa : Toerana fanaovana fomba Sakalava sady fonenan'ireo biby arovana
Tsy torapasika ihany no azo sitrahina ao Mahajanga rehefa fialantsasatra toy izao. Maromaro ireo toerana hankafizana ny natiora, ireo biby arovana sy ny kolontsaina Sakalava ao amin'ny faritra Boeny.
18 kilometatra miala ny renivohitr'i Mahajanga I no misy ny Lac Sacré Mangatsa. Toeram-pivavahana ara-drazana no tena fahafantarana azy io, saingy azo lazaina fa toeram-pitsangatsanganana ihany koa. Koa satria manjopiaka ny rano, anisan'ny mahavariana ireo mpitsidika ny mitazana ireo karazam-biby ao, indrindra ny voay, ny tilapia ary ny amalona. Amin'ny maha-Lac Sacré azy, misy karazana trondron-dranomasina roa mivelona ao anatin'io ranomamy io, dia ny Capitaine sy ny Papillon.
Farihy manankasina
Manana "valamena" miisa roa manodidina ny Lac Sacré Mangatsa ny Sakalavan'i Boeny. An'ny Zafinimena sy Zafinifotsy ireo toerana masina ireo. Mazava ho azy, toerana fangatahana ny tsara ny ao. Ao amin'ny valan'ny Zafinimena no mandeha voalohany, adika hoe toeran'ny lahy, ka ao no angatahina izay tiana ho azo. Sady mametraka hasina amin'izany (mofo dipaina + hena + tantely + zava-manitra) no miteny izay zavatra hatolotra rehefa mivaly ilay fangatahana. Efa misy olobe mandray moa ao an-toerana, izay manoro ny tokony atao rehetra.
Rehefa avy ao amin'ny Zafinimena, tsy tonga dia mandeha akory. Tsy maintsy mankeny amin'ny Zafinifotsy ka averina ny fangatahana sy ny zavatra hatolotra raha mivaly izany. Misy lovia bakoly asitrika avy eo ao anaty rano, asosa moramora, ka raha tafapetraka soa aman-tsara dia ho tanteraka ilay fangatahana. Raha sanatria miohaka ilay vilia dia tsy ho azo ilay zavatra iriana, ka ireo mpitaiza no mahalala izay tokony atao hahazoana ny tsodranon'ireo razambe.
Ireo olona mahazo fahasoavana no mamatotra lamba amin'ny hazo. Atao mitovy ny lamba fotsy sy mena afatotra, ka ny mena apetraka ao amin'ny valan'ny Zafinimena ary ny fotsy apetraka ao amin'ny valan'ny Zafinifotsy.

Toerana voaaro
Misy alaala manodidina ny Lac Sacré Mangatsa. Ahitana karazam-biby vitsivitsy ao an-toerana ka anisan'izany ny Katsatsaka, ny Tarondro sy ny Sifaka.
Ireo Sifaka moa dia mipetraka amin'ny manga lehibe, ka vondrona iray misy biby enina no miara-monina : lahy 3 sy vavy 3. Raha lasa 7 ilay vondrona dia misy sifaka Kely mbola trotroina na baben-dreniny. Amin'ny ankapobeny, zava-maitso sy voankazo no tena hanin'izy ireo, izay tadiaviny mihitsy. Manome sakafo fanampiny toy ny mangahazo lena sy akondro ihany nefa ireo mpitaridia mba hahafahan'ireo biby ireo manakaiky ireo mpitsidika. Tena tia olona ireo biby ireo, saingy tsy tia tabataba firy. Tsy azo kitihana ihany koa ny Sifaka kely mbola eny am-balahan-dreniny.
Misy ao an-toerana ihany koa ny karazan-java-maniry mampiavaka an'i Madagasikara. Singanina manokana ny Baobab lehibe antsoina hoe "Bozibe". Mpivady io zava-maniry io, samihafa ny fotony nefa miraikitra, ka ilay vavy no "Bozy" ary ny lahy no "Be". Manan-janaka maromaro izy mivady satria misy Baobab somary kelikely maniry avy amin'ny fakany misandrahaka.
