Teknika PFUMVUDZA : Teknisianina 43 nanombohana ny fampiofanana eny amin'ny sekoly
Haparitaka manerana ny sekoly ny teknika fambolena mampihatra ny PFUMVUDZA. Teknisianina miisa 43 avy amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) no mandray anjara amin’ny fiofanana, izay ampian’ny ekipa avy amin’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE), amin'izao dingana voalohany izao.
Sekoly miisa 800 no tanjona
Nahitana fahombiazana tamin’ny firenena eto Afrika, toa an’i Zimbabwe ity teknika fambolena iray ity. Halefa eny anivon’ny sekoly indray araka izany ny fanapariahana azy ka sekoly miisa 800 manerana ny Nosy no ho tratrarina. Ireo teknisianina avy ao amin’ny MEN voaofana ireo no hitondra izany manerana ny Nosy.
Tonga teto Madagasikara tamin’ny taona 2023 ity teknika ity raha i Zimbabwe no nitarika azy ny taona 2020. Teknika fambolena an-tanety mikendry ny fiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fahampian-tsakafo, sady manaja sy mikajy ny tontolo iainana, izy io. Tanjona lehibe ny fampitomboana sy fanatsarana ny vokatra, hanatsarana ny fari-piainan’ny mpamboly sy ny sekoly.
Hanampiana ny sekoly
Vokatry ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny MINAE sy ny MEN ny fanatanterahana ity fampiofanana ity. Notanterahina tao amin’ny EPP Mahamasina Atsimo, Antananarivo, nanomboka ny 30 jona ka hatramin’ny 2 jolay izany. Tao anatin’io fifanaraham-piaraha-miasa io dia entina hampiroboroboana ny fampisakafoanana an-tsekoly (cantine scolaire) ity teknika ity. Izany no hatao mba hahafahana mitazona ny mpianatra any an-tsekoly mandritra ny taom-pianarana. Zava-misy hatrany mantsy ny mpianatra miala an-daharana noho ny tsy fisiana na ny tsy fahampiana eo amin’ny sakafo sy ny vola.
Araka izany, hampitombo ny vokatra azo ampiasaina amin’ny fampisakafoanana ity teknika ity. Entina ihany koa hanapariahana ny teknika amin’ireo mpianatra sy ny Ray aman-dReniny avy. Nambaran’ny Sekretera Jeneralin'ny MINAE fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra amin’ny fampitomboana ny famokarana sy ny fikatsahana fahaleovantena ara-tsakafo eto amin’ny firenena.