Volan’ny ankizy : Tsy tokony hangina manoloana ny herisetra ny fiarahamonina, hoy ny PFSCE
Namoaka fanambarana ny Vovonam-piarahamonim-pirenena ho an'ny Ankizy (PFSCE), tamin’ny faran’iny herinandro iny, izay mampahatsiaro fa tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana, ny fiarahamonina Malagasy.
Fampanajana ny zon’ny ankizy
Natokana ho volan’ny ankizy ny volana jona ho antsika eto Madagasikara. Ao anatin’izany indrindra no namoahan’ny PFSCE ity fanambarana ity, izay miantso ny rehetra mba handray ny andraikitra tandrify azy avy, mba ho fiarovana ny ankizy tsy an-kanavaka, amin’ny endrika herisetra rehetra mety hahazo azy. « Maro amin'ny ankizy Malagasy no mbola miaina anaty tahotra, herisetra, fanararaotana sy tsy fandriampahalemana. Mbola misy ankizy voatery miasa, terena hanambady, na voafehy tsy afaka miteny na ao an-trano na any an-tsekoly », hoy ny fanambarana. Noho izany indrindra no antony anentanan’ity vovonana ivondronan’ny fikambanana maro miompana amin’ny ankizy ity, ny mba tena hampiharana ireo fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Zon'ny Ankizy, izay nankatoavin'i Madagasikara (CIDE), sy hampiharana ihany koa ny lalana Malagasy manan-kery. « Ampiharo пу lalana, sazio tsy misy fandeferana ireo mpanao herisetra amin'ny endriny rehetra. Tanteraho ny politika hiadiana amin'ny asa tsy mendrika ataon'ny ankizy. Amafiso ny fanentanana amin'ireo rafitra sy mekanisma nasionaly sy rejionaly miaro ny zon'ny ankizy », hoy ny antson’ny PFSCE, izay miantefa amin’ny Fanjakana sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny.
Fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra
Ary satria fampahatsiahivana ny anjara andraikitry ny olon-drehetra, amin’ny fiarovana ny ankizy sy ny fampanajana ny zony, no votoatin’ity fanambarana ity, dia saika voatonona ao anatiny avokoa ireo sehatra rehetra. Isan’izany ny fianakaviana, izay nentanin’ny PFSCE mba tsy haneho herisetra eo imason’ny ankizy, fa kosa hanome fitiavana sy fanabeazana mendrika. « Aoka tsy ampanambadiana aloha loatra ny ankizy », hoy ny fanentanan’ity vovonan’ny fiaramonim-pirenena ity. Nentanina kosa ny sekoly mba tsy hampihatra fampijaliana, fanaratsiana sy fanararaotana amin’ny ankizy. Ho an’ny sehatra tsy miankina sy ny orinasa, « atsaharo ny fampiasana ankizy, indrindra fa amin'ireo sehatr’asa mampidi-doza. Tohano ny ezaka ho an'ny fahasalaman’izy ireo sy ny fivelarany. Ataovy laharam-pahamehana ny fiarovana azy ireo », hoy ny PFSCE.
Ankoatra izay, ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny dia nentanina mba tsy hangina manoloana ny herisetra. « Aoka isika hifanome tanana amin'ny fiarovana ny zaza. Ny ankizy voaaro no fototra iorenan'ny hoavin'ny firenena », hoy ny Vovonam-piarahamonim-pirenena ho an'ny Ankizy.