• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Fitaterana mikorisa an-tariby : Vahaolana amin’ny fivezivezena nanano sarotra tao anatin’ny 50 taona

16/06/2025 15:49 © Moov

« Efa 50 taona tsy nisy fitsinjovana ny rafitry ny fitaterana an-tanàn-dehibe izay misedra fahasarotana. Fotoana izao hanavotana azy », hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Antony nananganana ny Fitaterana mikorisa an-tsariby (TPC) izany, hoy ny tenany raha nitsidika toeram-piantsonana.

Vahaolana amin’ny fitohanana

Raha tokony ho toerana ho an’olona 300 000 ihany Antananarivo tany aloha dia efa ho 4 tapitrisa amin’izao fotoana izao ny mponina ao. Mitombo manaraka izay ihany koa ny fiara sy ny fitaovam-pitaterana samihafa ka miteraka fitohanana sy fanelingelenana amin’ny fivezivezena. Izay olana nandritra ny taona maro izay no ho vahàna amin’ny alalan’ity tetikasa ity, hoy ity Sekreteram-panjakana ity.
« Efa vahaolana hampiasain’ny firenena maro samihafa ity TPC ity. Mety handany avo telo heny amin’ny vola ampiasaina amin’ity fotodrafitrasa ity raha hanitatra lalana satria ao anatiny ny fananganana sy ny fanonerana ny volan’ireo olona mila hafindra toerana », hoy hatrany ny fanazavana. Antony iay ihany koa nidirana tamin’ny fananganana azy.

Ho an’ny sarambabem-bahoaka

Isan’ny mampanahy ireo olona mety hampiasa ity fitaovam-pitaterana ity ny saran-dalana sy ny mety ho fitsinjovana azy ireo. Ankoatra ireo fampanantenana, izany hoe ny fampiasana ny sarany sosialy, izany hoe ho an’ireo mpianatra, be antitra ary ireo mitondra marary dia natao ho an’ny rehetra ny saram-pitaterana. « Araka ny nolazain’ny Filoha dia 3 000 ariary ny saran-dalana, isaky ny dia indray mandeha. Misolo isaky ny fiantsonana ny cabine saingy tsy manampy saran-dalana raha tsy miala amin’ny dia iray », hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Nanamarika ny tenany fa natao ho an’ny daholo be ny sarany mba hampiasan’ny tsirairay azy.
Etsy ankilany moa dia hampiasa tanora maro ny fanorenana sy ny fampiodinana ity fitaovam-pitaterana ity. Tsiahivina fa miditra amin’ny andrana teknika samihafa amin’izao fotoana ny orinasa mpanatanteraka ny tetikasa.

Lire la suite

Articles Similaires