• Cours de change
  • 5027.16 AR
  • |
  • $4514.42 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Reny&Zaza

Fomba fanamboarana sérum fanaovana evoka vita ao an-trano

13/05/2025 16:39 © Moov.Mg

Efa manomboka mangatsiaka izao ny andro ka tokony efa miomakomana sahady isika hiatrika ny sery sy ny gripa mpiseho rehefa ririnina. Anisan’ny fomba manampy hampisinda azy ireny, ho fanampin’ny fanafody fitsaboana, ny fanaovana evoka. Ho an’ireo tsy afaka mividy Sérum Salé Hypertonique (SSH) izay fanaovana evoka ary dia atoro eto ny fomba afaka hanamboarana izany ao an-trano.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Atao anaty tavoahangy na vera misy fatrany hatramin’ny 100ml (biberon ohatra) ny sira vaingany 10g na 2 sotrokely.
Fenoina rano madio avy nampangotrahana sy nampangatsiahana hatreo amin’ny 80 ml. Afangaro tsara mba ho levona tanteraka ilay sira. Rehefa levona tsara ny sira dia tapohana rano avy nampangotrahana sy efa mangatsiaka ho feno 100ml.
Rehefa vita izay dia trohana amin’ny « seringue » 20ml io rano anaty tavoahangy io. Avy eo tapohana rano madio avy nampangotrahana sy nampangatsiahana 24 ml indray. Marihana fa tsy azo tapohana rano hafa mihintsy ny rano nampangotrahana ampiasaina fa avela hangatsiaka ho azy.
Io fangaro io no afindra anaty tavoahangy na bocal madio sy misarona tsara. Tsy mety ny tavoahangy plastika noho izy ireny sarotra diovina sy mora andairan’ny loto. Afaka tehirizina mandritra ny 24 ora ity sérum fanaovana evoka namboarina tao an-trano ity.

Ny fomba fampiasana ny sérum fanaovana evoka amin’ny zaza

Andrarahana anaty vera na kaopy madio ny sérum fanaovana evoka rehefa hampiasa azy. Izy io no hakana trohana amin’ny « seringue » ka handrarahana 3ml ao anaty « nébuliseur » izay hampanaovana evoka ny zaza.
Raha toa ka tsy manana « nébuliseur » dia azo atao ny manao evoka azy. Mampangotraka rano. Avela hivadibadika manditra ny 10 minitra eo ambony afo. Rehefa vita izay dia afindra anaty bol. Avy eo atao anay kaopy kely vita amin’ny vy ilay sérum amin’ny fatrany 3ml. Apetraka ao anatin’ilay bol misy rano mangotraka, toy ny manao bain-marie, ka io no ampihevohona ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires