Fahasalaman’ny zaza : ‘ndeha ho resahana ny momba ny lohamalemy
Zavatra iray isan’ny mahavariana sy mety mampitaintaina eo amin’ny zaza menavava ny lohamalemy. Sady malemilemo no toa mitempo izy io rehefa jerena. Andeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny lohamalemin’ny zaza.
Inona moa ny lohamalemy ?
Ny karan-doha dia fitambarana taolana maromaro mitambatra fa tsy taolana boribory iray araky ny fihevitra azy. Eo amin’ny zaza dia mbola tsy mitambatra ireo taolana ireo satria mbola hitombo ny atidoha. Ny lohamalemy dia hoditra malemy izay eo anelanelan’ireo taolana ireo. Rehefa lehibe ny zaza dia lasa mitombo sy mifandray ireo taolan’ny karan-doha ka miha tsy hita tsikelikely ny lohamalemy.
Marihana fa miisa efatra ny lohamalemy fa kosa ilay eo amin’ny tampon-dohan’ny zaza ihany no hitantsika. Ny anton’izany dia satria ny lohamalemy 2 dia mikatona andro vitsy aorian’ny fahaterahan’ny zaza. Ny 1 kosa dia mikatona afaka 2 volana. Ilay lohamalemy hitantsika iny dia any amin’ny faha 18 volana hatramin’ny faha 24 volan’ny zaza vao mikatona.
Inona no asan’ny lohamalemy ?
Ny lohamalemy dia manamora ny fivoahan’ny zaza eo am-piterahana. Satria somary malemilemy ireo faritra ireo dia afaka mifanindry ireo taolan’ny karan-doha mba ahafahan’ny zaza hivoaka mora kokoa. Tsy tokony misy mampanahy izany satria tsy misy fiantraikany eo amin’ny atidohan’ny zaza io fifanindrin’ny taolana amin’ny loha io ary miverina amin’ny laoniny ihany moa izany afaka ora na andro vitsy.
Rehefa teraka soamantsara ny zaza dia mamela ny atidohan’ny zaza hitombo tsara ny lohamalemy. Haingana be tokoa mantsy ny fitombon’ny atidoha mandritra ny roa taona voalohan’ny zaza. Mety hitombo avo roa eny ny haben’izy io ao anatin’ny faha erin-taonan’ny zaza.
Manampy ny mpitsabo hijerena ny toe-pahasalaman’ny zaza ihany koa ny lohamalemy. Raha milentika be izy io dia mety midika izany fa tsy ampy rano ny zaza. Raha latsaky ny 6 volana izy dia mila minono be ary raha mihoatra dia omena rano betsaka, indrindra raha mivalana na mandoa. Raha toa ka mibontsina be ny lohamalemy dia mila mety ho fambaran’aretina izany ka mila entina mandeha dokotera ilay zaza.
Tsy mila fikarakarana be ny lohamalemy
Amin’ny ankapobeny dia tsy mila fikarakarana manokana ny lohamalemy. Mila tandremana tsara fotsiny izy io tsy ho voadona na haratra. Noho izany dia :
-Tsy hosorana zavatra ny lohamalemy raha tsy hoe rehefa manala taikombondoha ka mety ho mila hosorana diloilo na huile d’amande douce ny volo ;
-Tsy mila atao n’inon’inona ny loha malemy fa mikatona ho azy ;
-Entina manao fizaham-pahasalamana isam-bolana ny zaza mba handrefesana ny loha sy hahitan’ny mpitsabo mialoha raha sanatria mila olana ka mila fitsaboana.