Aretina lefakozatra : Tsy nahitana tranga intsony teto Madagasikara tao anatin’ny 20 volana
20 volana izao no tsy nahitana trangana lefakozatra intsony teto Madagasikara, araka ny fampitam-baovaon’ny Fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny fanaovam-baksiny (DPEV) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Isan’ny nahazoana izany vokatra tsara izany ny fanaovam-baksiny.
Vaksiny, nahemotry ny covid-19
Raha tsiahivina dia efa nahazo ny taratasy fanamarinana ny fahafongoran’ny aretina lefakozatra, vokatry ny « poliovirus sauvage autochtone » i Madagasikara, tamin’ny volana jona 2018. Taorian’izay anefa dia nosokajian’ny Fitsipika ara-pahasalamana iraisam-pirenena (RSI) ho firenena ahitana ny karazana otrikaretina « poliovirus de type 1 » indray i Madagasikara ary nahiana ny hihanahan’izany ivelan’ny Nosy. Nisy, noho izany, ny fepetra vonjimaika noraisina momba an’i Madagasikara.
Nanomboka ny volana septambra 2020 tokoa mantsy dia nahitam-piakarana ny trangana lefakozatra teto Madagasikara. Niraisn’ny firenena maro izany olana izany, taorian’ny valanaretina covid-19, izay nampihena ny taham-panaovana vaksiny, ka nampirongatra indray ireo aretina noheverina ho efa fongana, na tsy nahitana afa-tsy tranga vitsy sisa. Ankizy maherin’ny 977.000 teto amintsika no tsy nahazo fatram-baksiny iray teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2022, araka ny nambaran’ny UNICEF.
Tsy misy trangana lefakozatra intsony
Tao anatin’ny 20 volana izao, araka ny nambaran’ny DPEV, dia efa tsy nisy intsony ny trangana lefakozatra teto Madagasikara, raha toa ka nisy tranga 382 hita teto amintsika teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2023. Araka ny fanazavana dia paikady nampiasain'ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hiadiana amin’ity aretina ity ny fanaovam-bakisiny faobe sy fanaovana vaksiny mahazatra amin’ny andavanandro. Araka izany, vaksiny miady amin'ny aretina lefakozatra maherin’ny 34 tapitrisa fatra no nozaraina nandritra ny taona 2024 fotsiny. Raha ny fanazavan’ny solontenan’ny GAVI eto Madagasikara, Anaïs Colombini, dia tetibbola madiodion’ny Fanjakana malagasy no amatsiana ny vaksiny miady amin’ny lefakozatra, amin’ilay karazany atelina.
Ankoatra ny fanaovam-baksiny dia teo ihany koa ny fanentanana sy ny fampianarana momba ny fanasan-tanana matetika, ary ny fiadiana amin'ny fangerena an-kalamanjana, amin’ny maha-aretina azo avy amin’ny loto ny lefakozatra.