• Cours de change
  • 5003.25 AR
  • |
  • $4507.32 AR
Copyright Image : © Futura Siences
Image
Vaovao

Planification Spatiale Maritime (PSM) » : Dingana lehibe amin’ny fandrindrana ny fitrandrahana an-dranomasina

12/05/2025 10:28 © Moov

Mpisehatra miisa 50 avy amin’ny sehatra samihafa no nandray anjara tamin’ny atrikasa niompana tamin’ny fametrahana ny « Planification Spatiale Maritime (PSM). Hita tao anatin’izany ny sampandraharaham-panjakana, solontenan’ny fanjakana any amin’ny faritra, ONG, vondrom-piarahamonina, mpikaroka ary teknisianina. Izy io dia fitaovana stratejika entina mandrindra ny fampiasana ny harena an-dranomasina.

Tao amin’ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana no nanatanterahana izany ny volana aprily lasa teo.

Fitantanana an-dranomasina mirindra sy maharitra

Tetikady efa ampiasain’ny firenena maro maneran-tany ny Planification Spatiale Maritime. Izy io dia fomba fanao entina mandamina sy mandrindra ny fampiasana ny tontolo sy ny harena an-dranomasina, amin’ny alalan’ny fandalinana ara-jeôgrafia sy ny fandalinana ireo angon-drakitra. Izany no hatao mba hahafahan’ny sehatra maro toy ny jono, fizahantany, angovo, mpiaro ny tontolo iainana ... misoroka ny fifandonana sy ny korontana samihafa sy manamafy ny fiaraha-miasa amin’izy ireo. Manampy amin’ny fitantanana mangarahara sy maharitra ny loharanon-karena voajanahary, indrindra ny any anaty rano izy io.
Marihina fa ny fari-dranomasin’i Madagasikara rahateo dia mivelatra be ka ahitana mpisehatra aman’aliny. Samy tafiditra ao anatin’izany avokoa na ireo mpisehatra vaventy na ireo mpanjono madinika.

Efa andalam-pametrahana io rafitra io

Nandritra ny atrikasa dia nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ara-teknika ny WWF mikasika ny boky torolalana (manuel de procédures) ho an’ny PSM. Ny WWF izay mpiara-mamorona ny boky ka nampita ny teknika azo atao hananganana io tetikady io. Ity boky ity no hanampy amin’ny fametrahana sy fanatanterahana ireo politika sy lalàna momba ny tontolo an-dranomasina. Tanjona ny hahatonga ny fitrandrahana harena an-dranomasina haharitra sy azon’ny taranaka mifandimby, sitrahina hatrany no hitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka eny ifotony.

Lire la suite

Articles Similaires