• Cours de change
  • 5003.25 AR
  • |
  • $4507.32 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tetikasa Sahofika : Hatsangana ny tobim-pamokarana herinaratra lehibe indrindra eto Madagasikara

13/05/2025 12:21 © Moov

Malagasy 8 tapitrisa no hisitraka tombontsoa mivantana amin'ny Tetikasa Sahofika. Hatsaraina ny tolotra herinaratra, mba hanenana ny "délestage" sy ny fahatapahan-drano amin'ny faritra maro manerana ny Nosy.

Efa an-taonany maro no nisedra olana ny JIRAMA. Na misy aza ny ezaka isan-karazany atao, mbola manakana ny fampivoarana ireo tolotra ho an'ny mpanjifa ny fampiasam-bola be loatra amin'ny fitaovana sy ny tsy fahampian-drano. Etsy andaniny, manofa "groupe électrogène" maro amina orinasa tsy miankina mantsy ny JIRAMA, ka mandany volabe tokoa izany. Etsy ankilany, miha-mafana ny tany ka mihena ny rotsak'orana manerana ny Nosy. Na amin'ny vanim-potoan'ny fahavaratra aza dia mbola misy hatrany ny hain-tany. Izany indrindra no tsy maintsy hitadiavana vahaolana maharitra.

Tetikasa goavana

Ivotoerana lehibe hamokatra herinaratra 192 MW afaka miitatra hatramin'ny 300 MW no hatsangana ao amin'ny Faritra Vakinankaratra, 130km atsimon'Antananarivo ary 70km atsinanan'Antsirabe, hanamafisana ny tambazotra iraisana ho an’Antananarivo sy Antsirabe. Izay hitarina hamatsiana ihany koa an'i Toamasina ary Fianarantsoa. Ny reniranon'i Onive, any Antanifotsy, no hitrandrahana ny angovo.
Amina tetikasa goavana toy izao, mila fotoana maharitra, hatramin’ny 5 taona, ny fanatanterahana izany. Mbola maro ny dingana arahina sy ny fifampiraharahana samihafa. Tsy mora rahateo ny hametrahana ireo foto-drafitr’asa sy ny hahazoana ireo fitaovana ilaina. Mbola hisy hatrany ny fivoriana isan-karazany iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanohana ara-bola. Vinavinaina hanomboka amin’ny taona 2026 ny tetikasa, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Olivier Jean-Baptiste. Mandra-pahavitan’izany tetikasa izany, ny fitrandrahana ny angovo azo avaozina no tena ianteherana. Izany indrindra no antony hanafainganana ireo tetikasa mikasika ny fametrahana «Parc Solaire ».

Fandraisana anjaran'ny orinasa sy Fanjakana Malagasy

Tamin'ny taona 2021 moa no efa voasonia ny fifanaraham-piarahamiasa amin'ny Consortium NEO hanatanterahana ny tetikasa. Androany, namafisina indray izany, ka nisy ny fanaovan-tsonia teo amin'izany orinasa izany sy ny Fanjakana Malagasy. Nanamarika manokana ny andro androany ny fampahafantarana fa "actionnaire" ihany koa ny Fonds Souverain Malagasy (FSM), ary manana anjara 49% be izao.

Lire la suite

Articles Similaires