• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Commune Ivato
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Ho vitaina alohan’ny fivoriamben’ny SADC ny Village artisanal eny Ivato

09/05/2025 13:26 © Moov

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity anio ity ny tetikasa Village artisanal izay hapetraka eo Ivato. Tonga nitarika izany teny an-toerana ny Filoham-pirenena, izay namolavola ny tetikasa. Tao anatin’ny lahateniny dia nilaza izy fa ho vitaina alohan’ny volana aogositra, izay handraisana ny fivoriamben’ny SADC, ity toerana ity. Tanjon’ity toerana ity ny hampisongadina bebe kokoa an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny asa tanana.

Ahitana trano eva hatramin’ny 240

Toerana natao hivarotana sy hampirantiana ireo asa tanana malagasy rehetra ity « village artisanal » ity. Eo anoloan’ny tobin’ny « Bataillon Parachutiste » eny Ivato no ahitana azy. Mivelatra amin’ny toerana 2 hektara eo ho eo izy. Raha ny hita eny an-toerana sy ny mety ho zava-bita dia vinavinaina hisy trano eva miisa hatramin’ny 240 eny. Isaky ny trano araka izany dia hisy toerana hampirantiana ireo asa tanana, toerana fatehirizana entana, toerana fakana aina ary toerana hahafahan’ireo mpampiranty mahandro sakafo. Marihina mantsy fa eritreretina hisokatra hatramin’ny 12 ora alina isan’andro ny toerana.
Fotodrafitrasa noezahina ho mafy, vita avy amin’ny « beton » no hapetraka eo an-toerana mba hampaharitra azy. Etsy ankilany anefa dia tao-trano nalaina avy amin’ny kolontsaina malagasy no ho hita ; ao anatin’izany ny fampiasana tafo miendrika kapila. Raha ny fanazavan’ireo orinasa manatanteraka ny asa eny an-toerana dia efa hatramin’ny 30% ny fandrosoan’ny asa, amin’izao fotoana izao.
Ankoatra ireo toeram-pampirantiana ireo dia hisy « guichet unique » sy biraom-panjakana maro ihany koa eny an-toerana, hanaovana ny karazana taratasy rehetra. Tanjona ny hanamorana ny fahafahana mitondra ireo asa tanana mivoaka an’i Madagasikara. Hametrahana biraon’ny DHL ihany koa eny ary hisy toeram-pisakafoanana samihafa.

Hampiditra vola 50 hatramin’ny 100 tapitrisa Euros

Nosafidiana manokana ny eny Ivato satria eo no vavahady hidirana sy hivoahan’ireo mpizahatany ka heverina fa tsy maintsy handalo sy hividy asa tanana eo, izy ireo. Izany hoe hampiakatra ny toe-karena malagasy izany. « Raha mampiditra 20 tapitrisa Euros ho an’i Madagasikara ny asa tanana amin’izao dia vinavinaina hampiditra 50 hatramin’ny 100 tapitrisa Euros izy amin’ny alalan’ity toerana lehibe ity », hoy ny Filoham-pirenena, teny an-toerana. Ankoatra izay dia vinavinaina hisy olona 3 000 hivezivezy isan’andro eo an-toerana, ka hahatrarana ity tanjona ity. Hamafisina ihany koa ny fitandroana ny filaminana, ao anatin’io toerana io, raha ny nambaran’ny Filoha, hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires