• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Fahasalaman’ny zaza : ireo tsara fantatra momba ny fampiasana « suppositoire »

06/05/2025 14:27 © Moov.Mg

Fanafody iray isan’ny fampiasa eo amin’ny zazakely ny « suppositoire ». Fanontaniana manitikitika ny sain’ny ray aman-dreny maro ny hoe mila averina asiana « suppositoire » ve ny zaza raha nangery izy fotoana fohy taorian’ny nametahana izany ? Araho eto ireo tsara fantatra mikasika ny fampiasana « suppositoire » eo amin’ny zaza.

Averina asiana « suppositoire » ve ny zaza raha nivoaka vetivety ilay fanafody ?

Amin’ny ankapobeny dia tsy mandrisika ny ray aman-dreny hamerina manome fanafody ny zaza ny mpitsabo raha toa ka nivoaka afaka minitra vitsy taorian’ny nampidirana azy ilay fatra voalohany. Araky ny fanazavan’ny mpitsabo manokana ny zaza dia mila fadiana arak’izany ny mamerina manisy « suppositoire » ny zaza na dia nangery àry izy afaka fotoana fohy taorian’ny nametahana ny voalohany. Sarotra tokoa mantsy ny mamantatra raha efa nisy voarain’ny vatan’ilay zaza ilay « suppositoire » nivoaka teo na tsia. Mety hampisy « surdosage » ny fampidirana « suppositoire » faharoa raha toa ka efa nisy tafiditra ihany ilay teo aloha.
Misy fotoana kosa nefa mety hoe nivoaka niaraka amin’ny maloton’ilay zaza avokoa ilay « suppositoire » vao nampidirina, indrindra raha nangery avy hatrany izy taorian’ny nanatsofoana ilay fanafody. Raha izay no mitranga, izany hoe mbola tena tsy misy rimbona fa « entier » ilay « suppositoire », dia azo averina ampidirana iray hafa izy.

Afiriana aorian’ny nanatsofoana azy tao amin’ny zaza ny « suppositoire » no miasa ?

Araky ny voalazan’ny mpitsabo manokana ny zaza dia voarain’ny vatan’ny zaza tanteraka ny « suppositoire » afaka 25 minitra eo ho eo taorian’ny nampidirana azy ary manomboka miasa izy io eo amin’ny faha 30 na 40 minitra eo. Raha toa ka nangery ny zaza afaka 20 minitra taorian’ny nanatsofoana ny « suppositoire » dia mety hoe tsy voarain’ny vatany tanteraka ilay fanafody. Na dia izany aza anefa dia mila miandry adiny 4 na 6 ora hatrany vao mamerina mampiditra iray vaovao mba hisorohana ny mety ho « surdosage ».

Lire la suite

Articles Similaires