Fampianarana : Miditra anatin’ny fikirakirana ny laza adina CEPE ny CISCO Antananarivo
Hotanterahina ny 17 jona ho avy izao ny fanadinam-panjakana voalohany ho amin’ity taona 2025 ity. Manana iray volana mahery kely eo sisa ny mpianatra sy ireo tompon’andraikitra hanomanana izany. Raha ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) Antananarivo Renivohitra dia efa miditra amin’ny fanomanana ara-teknika, izy ireo.
Fanomanana ny fanadinana
Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka io fanadinana io avokoa ny Fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena (DREN). Miara-miasa amin’izy ireo ao anatin’izany ny CISCO sy ireo tompon’andraikitra efa za-draharaha ary ny mpampianatra. Asa atao ao anatin’izany ny famolavolana ny laza adina, ny fampidirana izany anaty valopy mihidy ary ny fitsinjarana sy fanapariahana azy. « Efa tena tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana izahay miaraka amin’ny DREN. Ny laza adina no efa azo lazaina fa vita, niarahana tamin’ny mpampianatra », hoy Lalaina Ramananantony, Chef CISCO Antananarivo Renivohitra.
Raha tsiahivina dia lasa samy mandrafitra ny laza adiny avy ny isaky ny CISCO amin’izao fotoana izao, araka ny fanambaran’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Araka izany, samy hanana ny laza adiny ny distrika 114 manerana ny Nosy raha tokana izany teo aloha.
Miisa 28 276 ireo mpiadina eto Antananarivo
Mpiadina miisa 28 276 no voasoratra amin’ny fomba ofisialy ao anatin’ny lisitr’ireo afaka hiatrika io fanadinana io eto Antananarivo. Raha ny fanazavana dia 6 taona ny zandriny indrindra raha 43 taona kosa ny zokiny indrindra amin’izany. Efa ao anatin’ny fiomanana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao. « Miditra tanteraka ao amin’ny famerenan-desona izao ny mpianatra. Raha iray volana izany kosa no mbola hampidirana lesona efa taratara ihany », hoy ny mpampianatra iray. Ankoatra izay dia efa miditra amin’ny fanadinana andrana ihany koa izy ireo. Tsara ny manamarika fa io no mari-pahaizana voalohany indrindra ho an’ny mpianatra malagasy. Mbola misy ny asa sasany mitaky ny fananana azy io. Tsy tafiditra amin’ny ambaratonga faharoa ihany koa raha tsy manana azy.