• Cours de change
  • 5037.61 AR
  • |
  • $4431.96 AR
Copyright Image : © 303 Radio
Image
Vaovao

Tetikasa « Digital Learning » : Notolorana « tablettes » ny EPP roa any amin’ny CISCO Ambalavao

05/05/2025 16:39 © Moov.Mg

Miroso manaraka ny fivoaran’ny teknôlôjia maoderina ny fanabeazana eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny dia lasa lavitra kokoa ny mpianatra monina an-drenivohitra, amin’izay lafiny izay, saingy noho ny tetikasa « Digital Learning », dia efa miroso tsikelikely amin’ny fampiasana fitaovana maoderina ihany koa ireo mpianatra any amin’ny tontolo ambanivohitra.

Fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana

Tetikasan’ny fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana, Ny Taniko, sy ny Feedback Madagascar, iarahan’izy ireo manatanteraka, ny « Digital Learning ». Sekoly ambaratonga fototra miisa roa ao amin’ny Fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) Ambalavao, ao anatin’ny fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena (DREN) Matsiatra Ambony, no misitraka izany, dia ny EPP Tanamarina sy EPP Ankarinomby, samy ao amin’ny kaominina Ambohimahamasina.

Tafapetraka tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ity tetikasa « Digital Learning » ity, ka tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, amin’ny alalan’ny teknôlôjia nomerika. Araka izany, voarakitra ao anaty « tablette » ny lesona rehetra, ary ampiasaina miaraka amin’izany « tablette » izany ny « projecteur », mba hahafahan’ny mpianatra manaraka ny fampianarana.

Mpampianatra voaofana

Natolotra ho an’ireo mpampianatra, izay efa nofanina mialoha, ireo fitaovana nomerika hanatsarana ny kalitaom-pampianarana, ao amin'ny EPP Tanamarina sy EPP Ankarinomby ireo. Tanjona ny fampitoviana lenta ny ankizy malagasy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. « Nomena tombon-dahiny ireo ankizy monina amin’ny tontolo ambanivohitra mba hisitraka fihavaozana ara-teknôlôjia. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra, mba hiditra amin’ny sehatra matianina kokoa amin’ny fanarahana ny teknôlôjia, izay efa tsy azo ialana intsony ankehitriny », hoy ny fanazavan-dRaharilaza Nathalie, tomponandraikitry ny fandaharanasa eo anivon’ny ONG Ny tanintsika sy Feedback Madagascar. Araka ny fantatra dia efa misy ny lesona rehetra mifandraika amin'ny programam-mpampianaran'ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ao anatin'ireo fitaovana nozaraina ireo

Miara-miasa akaiky amin’ny DREN Matsiatra Ambony, ny CISCO Ambalavao ary ny ZAP Ambohimahamasina ny ONG Ny Tanintsika sy Feedback Madagascar, amin’ny fanatanterahana izao tetikasa izao.

Lire la suite

Articles Similaires