Famokarana : Haverina omen-danja ny fihariana akondro ao amin’ny Faritra Atsinanana
Manan-karena kaloria sy proteina ary mitondra hery maro isan-karazany ho an’ny vatana ny akondro. Manana tany malalaka afaka mamokatra betsaka amin’izany i Madagasikara, indrindra ireo any amin’ny sisin-tany. Izany indrindra no hamerenana ny lanjan’ny fihariana akondro indray ao amin’ny faritra Atsinanana. Mandray ny fepetra mikasika izany ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana, izay miara-miasa akaiky amin’ny FOFIFA.
Hametrahana vala-tahaka ao Brickaville
Ankoatra ny hery entin’ity voankazo ity dia nampidi-bola betsaka tamin’ireo tantsaha ihany koa izy tany aloha. Misedra olana anefa ireo mpamboly ireo amin’izao fotoana izao, noho ny aretina sy ny fiovaovan’ny teotr’andro, ka manimba ny vokatra. Raha tsiahivina, dia anisan’ny vokatra fanondrana nahazoam-bola vahiny ny akondro, saingy nihena ny vokatra sy ny kalitao noho ireo olana ara-tontolo iainana samihafa. Vokatr’izany dia very toerana teo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny akondro avy eto Madagasikara.
Hamahana izay olana izay dia hapetraka ao Brickaville io vala-tahaka io, hahafahana manatsara ny vokatra. Toerana hanaovana fanadihadiana sy fikarohana samihafa, izy io, mba hamerina amin’ny laoniny indray ny fihariana akondro. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa isan’ny toerana mpamatsy akondro ho an’ny malagasy maro ihany koa ny faritra Atsinanana.
Hampiakarina ny taham-bokatra
Tanjon’ny fitondram-panjakana amin’ity asa ity ny hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, fanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha ary fanamafisana ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Antony hanampiana ireo tantsaha ireo mba hanana fidiram-bola tsara izany. Hatsaraina ny taham-bokatra sy ny kalitao amin’ny alalan’ireo fikarohana siantifika. Raha 15 taonina isaky ny hektara ny vokatra amin’izao fotoana izao, dia afaka mahatratra 34 taonina isaky ny hektara amin’ny karazam-boly vaovao avy amin’ny FOFIFA. Manodidina ny 250 000 taonina isan-taona ny vokatra akondro ao amin’ny Faritra Atsinanana. Antenaina fa hampahery sy hanetsika indray ny mpamboly sy ireo mpisehatra rehetra izany, amin’ny fanarenana ny famatsiana ho an’ny tsena anatiny sy amin’ny fanondranana.